Edito

Mbola lavitra e…


  • Alarobia 13 Jona 2018

Fa dia tena lany olo-manga sy olona mahavita azy tokoa ve eto amin’ity firenena ity e ? Aiza ve ka olona 8 monja tamin’ireo mpikamban’ny governemanta vaovao 30 ankehitriny no tsy mbola minisitra fa ny rehetra dia ny efa teo no notazonina sy naverina, ka dia ny tonta ihany no havadibadika, hoy ny fitenenana.

 Maro no efa milanja ny kihana mivaivay, ary raha ny ozona aza angamba no nahafaty efa maro no nitsipatsipaka. Ny sasany indray ao anaty fanjakana foana  nanomboka tamin’ny fanjanahantany na iza na iza mitondra eo, ka toy ny efa azy i Madagasikara. Toa mbola lavitry ny kitay ny afo raha ny fiovan’ny fomba fanaovana politika, ka na efa halam-bahoaka izao aza tsy mahalala menatra. Firifiry amin’ireo minisitra naverina amin’ny toerany ireo moa no efa nilanjan’ny olona ambany fiadidiany  sora-baventy, ary mbola mitohy izany izao saingy tsy mba hahalala menatra akory. Ekena fa mety manana ny traikefany tokoa ireny, saingy maro ny laza ratsy, ary efa naloham-bahoaka ny ankamaroany, saingy ny tian-kano tsy tian-kano no setrin’ny fitakiam-bahoaka. Ny fanjakana efa nitolefika sy naman’ny resy tanteraka indray amin’izao no midingin-drambo satria toa nivoaka mpandresy e! Ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra, hoy ilay fomba fiteny malaza, saingy tsy misy dikany izany eo anatrehan’ny fitiavan-tseza sy fahefana. Mba rahoviana ihany re vao tena ho tanteraka ara-bakiteny sy araka ny hiheveran’ny besinimaro azy ilay hoe fanovana e? Mbola lavitry ny afo ny kitay hatreto, saingy tsy hatao hampitolefika raha mbola te hahita mangirana eo ambany vahoan’ireo maty eritreritra!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT