Edito

Mbola lavitr’ezaka


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Mbola hita soritra hatrany ny fifandirana noho ny fitiavan-tena sy fitiavan-tseza eo amin’ny mpanao politika, ary izay mihitsy no antony mampikatso ny raharaha ka tsy mety ahitana ny vahaolana amin’ny krizy.

 Hatramin’ny martsa 2009 dia maro ny antoko na vondrona politika, na kely io na lehibe na salantsalany nivaky roa, na telo. Tratran’io avokoa ny TIM, ny Arema sy ireo antoko hafa tahaka ny Monima, dia niampita tany amin’ireo vondrona politika toa ny Escopol, ny HPM. Hatramin’izao kosa aloha dia tsy mbola nahenoana fifanoheran-kevitra tao anatin’ny antoko TGV na dia maro ihany aza ny eo mandeha etsy sy eroa ny amin’ny fisian’ny fifandirana isan-karazany eo amin’ny samy mitarika ao anatin’ity antoko naorin’i Andry Rajoelina ity. Ka ny mampametra-panontaniana ny maro izao dia ny hoe : ahoana moa izany no hampifanaraka sy hampiray saina ireo vondrona politika rehetra eto Madagasikara raha toa ka ny samy iray antoko aza mifanditra ? Milaza ny handefa delegasiona mafonja handresy lahatra ny Ankolafy 3 mba hanasonia ilay sori-dalana ireo vondrona 8 (V8) nanao ny rangopohy, kanefa na teo amin’ny fandrafetana ireo iraka manokana ireo aza dia efa nampifanditra azy ireo.

Tsy takona afenina ihany koa fa maro be ireo mpikarama an’ady politika ao anatin’izany V8 izany ka dia tonga ho azy ny savorovoro satria be loatra ny sangodim-panina sy ny fitapitaka kely madinidinika. Efa nitranga teo anivon’ny Escopol io savorovoro io tamin’ny fananganana ny CT sy ny CST, satria tamin’izay fotoana izay dia nisy ireo mpikambana Escopol nilaza fa lisitra hafa fa tsy ilay nifanarahana tamin’ny fivoriambe no nisy nanatitra tany Ambohitsorohitra. Ny samy ao anatin’ny governemanta koa dia maro no mifanipa-kevitra sy fomba fijery, ka dia mihisatra ny asa, tsy tenenina intsony ny fifanenjehana any anaty ministera any. Tratran’io aretina io koa ny ankolafy politika sasany : ny farany nitranga izao dia ny teo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, dia ireo olona azo nambara hoe olobe tao anatin’ny TIM sy tao anatin’ny ankolafy Ravalomanana mihitsy no nisintaka ka niditra tao amin’ny govenemanta dia mbola sahy milaza fa manohana ny filoha teo aloha, hono izy ireo, saingy tsy manaraka fosiny toromarika avy any aminy.

Azo antoka fa mbola hisy vondrona, na antoko politika hiforona indray atsy aroriana kely dia hilaza indray fa manohana an’izatsy na izaroa. Dia izany foana no zava-misy eto ! Fiovana mankany amin’ny ratsy kokoa, ary ny loza dia manomboka tsy taitra sy tsy miraika amin’ilay izy intsony ny olona fa dia manaiky fotsiny, hany ka manao izay tiany ireo mpanao politika ary tsy matahotra n’iza n’iza intsony. Ny vahoaka tompon’ny safidy tsinonana, azo tambazana fanomezana kely tsotsotra rehefa fifidianana dia manaiky izay tonga eo. Lavitr’ezaka ny fanovana tsy maintsy atao eto raha te hivoatra sy hanana ny tsara isika. Fa ny fanontaniana dia ny hoe : tena vonona marina amin’izany tokoa ve ny Malagasy sa taitaitra ny zava-baovao fotsiny e ?

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT