Edito

Mbola ho lavitra ny lalana.


  • Alakamisy 13 Jolay 2017

Ny an-daniny mangeja, ny an-kilany mandrangitra, misy koa ny miandry kendritohana, hoy ny fanehoan-kevitra iray izay mahita ny fiainantsika eto amin’izao fotoana.

Tsy misy afa-tsy ny vahoaka anefa no mizaka ny vokany. Raha ny hita miharihary aloha, lasan-ko vavany fotsiny mpitondra sy ny mpanohitra milaza ho mahatsapa ny fahoriam-bahoaka. Ireo miantso fihavanana indray amin’izao fotoana no lazaina fa mpanakorontana. Mbola ho lavitra ny lalana raha ny fahitana ny fizotra sy hafainganam-pandeha amin’ny fihazakazahana ho any amin’ny tombontsoam-bahoaka sy ny firenena. Miharihary mantsy ny kajikajy politika isan-karazany izay voaporofo fa tsy mitondra na inona na inona ho an’ny rehetra matoa mbola hiatrika fiakaran’ny vidim-piainana sy vidin-jiro, araka ny efa voalazan’ireo manampahefana isika ato ho ato. Rahoviana ary vao hiverina indray  ny fihavanana ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT