Edito

Mbola ho ela


  • Alarobia 27 Jona 2012

«Firaisankina no antoky ny Fampandrosoana». Io no lohahevitra nofinidin’ny fanjakana nanompanana ny fankalazana ny fentim-pirenena, izay nitsingerina fanin-droa amby dimapolo tamin’ity taona 2012 ity.

 Nijanona ho teny sy tarigetra ihany io, fa lavitr’izay ny zava-misy. Sady tsy nanatrika ny matson’ny foloalindahy teny Mahamasina na minisitra na Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no tsy namaly ny fanasan’i Andry Rajoelina teny Iavoloha fa nisafidy an’Antsirabe hankalazana ny fetim-pirenena. Mazava ny safidin’izy ireo satria tsy maneho fahavononana hamaha marina ny krizy i Andry Rajoelina fa izay andininy metimety aminy tao amin’ny tondrozotra no ampihariny hatreto. Tsy tazana teny Mahamasina ihany koa ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.

Nandeha irery koa omaly ny filohan’ny EKAR, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène fa tsy nisy tonga teny Mahamasina ireo filoham-piangonana telo hafa ao amin’ny FFKM, izay ny FLM no mitarika ankehitriny. Bangabanga ny toerana teny Iavoloha nanasan’i Andry Rajoelina mivady olona an’arivony, hifampizara ny masaka tamin’izy ireo. Tetsy Mahamasina ny hariva, nandritra ny rindran-kira izay nankinina tamin’i Rossy ny fikarakarana sy ny fanafanana ny lanonana dia noredonina indray ilay hira nanamarika ny hetsika fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina hoe : “Iny lalana iny”. Etsy ankilan’izay dia hita ho tsy rototra velively ny hihaona amin’i Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina, na nanery ny hanatontosana izay faran’izay haingana aza ny SADC raha nivory tsy ara-potoana tany Luanda renivohitr’i Angola ny 31 mey sy 01 jona 2012. Ampahan-javatra ihany ireo saingy mahafaoka be ampy hilazana fa mbola ho ela ny fandravonana ity krizy ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT