Mikorontana ny tany ama-monina ary tsy voafehy intsony ankehitriny. Tsy hay aloha na toe-javatra toy ny mahazatra ihany na dia efa fanakorontanana hiniana volena mihitsy mba tsy hifantohan’ny sain’ny vahoaka amina lafin-javatra iray.
Toa mahavalalanina tanteraka mantsy ity zava-misy ity hoe ankoatra ny efa fahantrana sy tsy fandriampahalemana, izay efa tandra vadi-koditra amin’ny Malagasy, dia toa ampahoriana amin-javatra hafa indray izy amin’ity resaka pesta ity, indrindra fa ireny toe-javatra nampisahotaka ireny. Mikorontana tanteraka ny tany ama-monina ary toa habadoina tanteraka ny zaza Malagasy, izay tena lasibatra tato ho ato, ary tsy ny kely ihany fa io iaraha-mahita ny mahazo ny lehibe. Iza no ao ambadika ary inona no tombotsoa ? Ny vahoaka efa tsy manam-potoana hisainana akory izay hadalan’ny mpitondra sy ny mpanao politika, kanefa dia mbola hampihorohoroana amin-javatra hafahafa, izay vao mainka hampikorontan-tsaina azy. Izao izany ilay hoe ny vahoaka hatrany no mitondra ny taolam-be tsy mitapaka fa ny mpanao politika kosa na ny mpanohitra toa mbola miaina miadam-pinaritra ihany. Mbola ho avy ny fotoana hampisehoany ny heriny, izay sokajiana hatrany hoe efa malemin’ny fampahantrana, fa hatreto aloha mbola miaritra ny zoga na efa feno aza ny kapoaka mangidy ! Mbola valalabemandry fa tsy vavalabe mifoha !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.