Edito

Mbola ho avy ny marina


  • Alarobia 23 Jona 2010


Hatramin’ny 17 martsa 2009 no ho mankaty dia tsy afa-bela mihitsy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Raha nangataka hanofa ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatajahantena manko ny Fjkm ny 25 jolay ho avy izao, dia nolavina izany. Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra dia tsy azo anaovana fihetsiketsehana ara-pinoana sy fivavahana intsony ao amin’ity lapa ity. Famoahana mpitandrina moa no kasain’ny FJKM hatao amin’io 25 jolay io, ary vonona hanofa izy fa tsy hindrana. Ny mahazendana anefa dia hetsika ara-pivavahana no natao ny alahady 20 jona lasa teo ary dia nanatrika izany ho vavolombelona i  Andry Rajoelina mivady. Sady kazarana fampisehoana ara-pilazantsara no natao tao amin’ity lapa. Dia vaka ny saina sy ny eritreritra ary fanontaniana maro no mibosesika ao an-doha. Fanagadrana, famonoana, fanompana, tsy fanomezana toerana hivavahana malalaka, fandrobana fiangonana, santionany ihany ireo ka dia lasa ny saina hoe kakay inona loatra mihatra amin’ny FJKM sa inona no mety ho anton’ny antsojay lavareny tsy mety tapitra ? Mbola ho avy anefa ny marina, araka any fanevan’ny FJKM. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT