Edito

Mbola ho avotra ve ?


  • Alakamisy 20 Jolay 2017

Firy taona izao no nikasana hanatontosana ny fampihavanam-pirenena ary efa im-piry niova ny anaran’ireo rafitra no

kasaina hitarika an’izany ? Tafapetraka ve anefa izany izao ? Fanontaniana tsy azo hihodivirana io amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny izay nopotehana sy nampizarazaran’ireo mpanjanaka vaovao ny vahoaka manerana ny nosy tamin’ny alalan’ireo krizy nifanesisesy vokatry ny fandrodanam-pitondrana teto. Mbola hantenaina hihavana ve ny mpifahavalo sa na ireo mpinamana aza ahiana hiady ? Raha vantanina ny resaka dia mbola mety hivaha ve ny otrik’ady izay efa mitady hiseho amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana ? Sa hivadika adim-poko araka ny fanahian’ireo mpanao politika ? Ny fahantrana, tsy fandriampahalemana, fikorontanana eo anivona andrim-panjakana stratejika, fanajabahana mpitondra dia samy hita eto daholo. Mbola ho avotra ve ny firenena ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT