Edito

Mbola hitohy !


  • Zoma 27 Jolay 2012

Efa nampoizin’ny maro fa tsy ho mora ny hipoiran’ny marimaritra iraisana eo amin’Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina.

 Azo ambara fa fihaonana savaranonando ny tany Desroches Seychelles, fa mbola ho avy ny manaraka, afaka herinandro na tapa-bolana eo ho eo. Tsy resaka ady an-tsena na olam-pianakaviana ny azy mianaka ireto fa misy idiran’ny politika tena avo lenta, ary iankinan’ny hoavin’ny olona an-tapitrisany. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ireo firenen-dehibe, indrindra moa fa i Frantsa sy Etazonia, izay voalaza fa samy manana ny tohanany avy na dia tsy milaza mivantana aza. Tsy ho mora ny ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha amin’ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha-20. Mbola zavatra hafa ny famotsoran-keloka sy ny filatsahan-kofidiana.

Zavatra mety tsy maintsy mbola averina resahana koa ny nitranga tamin’ny 26 janoary sy 07 febroary 2009... maro be ny zavatra mahatonga ny fifandirana ka tsy maintsy resahana tsirairay ireny. Ankoatr’ireo dia manana ny eritreriny ny amin’ny tokony hitantanana an’i Madagasikara koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena, maniraka ny SADC sy ny COI. Tsy azo adinoina fa endri-panjanahana maoderina ny fanatontoloana sy ny fisian’ireny vondrom-paritra isan-karazany ireny, mpikambana ao amina fikambanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, hatry ny ela koa dia tsy afa-bela aloha hatreto, fa tsy maintsy manaiky izay baiko milatsaka avy any amin’ny vazaha.

Maro ny Malagasy tsy manaiky intsony izany hoe fijabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena izany, saingy indrisy fa tsy arakaraka ny faniriana ny zava-misy fa efa tafiditra lalina eto amintsika ny vahiny. Tsy Atoa Rajoelina sy Ravalomanana tsy akory no tena te hiady mandrakizay, fa maro koa ny mampirisika sy ny mpanao tery vay manta ety amin’ny sisiny, ka izay no mahasarotra ny raharaha. Mavesatra ny adidy iantsorohan’i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana, ilay voalohany nilokaloka fa efa narodana ny jadona ary tsy miverina eto intsony fa dia ho avy ny fanovana, ilay faharoa kosa nampanantena ny mpomba azy fa tsy maintsy miverina an-tanindrazana ary ho kandida amin’ny fifidianana....Ka ahoana ny marimaritra iraisana amin’izany ? Tsy “1er tour” dia vita ny dinika fa tsy maintsy mbola hitohy e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT