Edito

Mbola hisy ho levona eto


  • Zoma 18 Desambra 2020

Vaovao nahoraka indray ilay resaka fanamelohana higadra ilay zanaka mpanao

 

 

politika malaza efa lasan-ko razana noho izy masiatsiaka amin’ny fanakianana fitondrana. Tampotampoka teo dia hoe mihinana herintaona any an-tranomaizina. Manaitra ihany ny fahasahiany satria mbola raikitra ny fanaovana vava, ary tena mahatoky tena sy vonona hifanandrina. Asa izay hiafarany, fa dia efa nirotsaka aloha ny didy fampisamborana. Hisy ho levona eto no hiafarany satria matoa mahasahy mamoaka vava be tahaka ireny ihany koa iny ralelilahy iny, dia ao raha. Na izany na tsy izany, tena tafiditra lalina ao anatin’ny aretin’ny tsy fahazakana tsikera ny mpitondra sasany. Mieritreritra ho efa tsy mandia tany intsony, ka mety avokoa izay atao, tsy ho tratry ny aloka mandrakizay, hany ka mihetraketraka amin’ny fahefana mandalo. Tsy mety mahay maka lesona foana. Manangam-pahavalo ao anaty Fanjakana, mila vaniny ety ivelany, tsabahana ny atsy, hilana vaniny ny aroa, misy ny kendrena hogadraina,... Tena safidy politikan’ny Filoha ve ilay manangam-pahavalo sa ireo manodidina azy no tsy mahazaka fahefana intsony ka manaotao foana? Ny mpanohitra miezaka mampiseho fanoherana mitombina sy araka ny lojika, fa ny ao anatiny mihitsy no toa efa misarigaigy mifamotika mivantana sy an-kolaka. Sao mba natao hanodinana saim-bahoaka ihany koa anefa ireny? Toa misoko miadana sy tena mahazendana ihany mantsy itony fitrosana be ambara fa ho fanarenana ny fiantraikan’ny covid-19 itony, toy ilay 286 miliara Ar mahery haverina ao anatin’ny 38 taona. Ny fitantanana ny efa azo anefa maro ny ahiahy. Angaha tokoa isika mbola hitrosa mampahatra firenena ihany fa tsy hampindrana an’i Kaomoro araka ilay vava be roa taona lasa izay e ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT