Mbola hiharitra mandra-pahoviana ?

Ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ny fiainam-pirenena.


  • Alakamisy 23 Janoary 2025

Difotra ao anaty tsy fahaiza-mitantana sy fijotsoan’ny Firenena.

Milentika tanteraka ao anatin’ny fahantrana lalina, tsy misy taratra vahaolana sy fivoarana. Hatramin’ny mpitondra lasa songonan’ny zava-misy, ka arakaraka izay zava-mitranga ny fanapahan-kevitra, manginy fotsiny ny hevitra manidintsidina eny antsefantsefany eny, tsy misy fijerena sy fandinihana firy izay soa ho an’ny besinimaro fa dia faly hanao zavatra mamirapiratra sy mahafalifaly ny mpitondra. Pimaso politika no zary lasa hita etsy sy eroa, raha tsy hilaza afatsy ny resaka fizarana vola izay hampilaharana sy hampijaliana vahoaka amin’ny hatsiaka sy ny danikandro na ny orana. Fahafinaretana ho an’ny mpitondra ny mahita fa lany andro, mitandahatra, mitady izay harapaka ny olona,… hany ka tena atao tahaka ny akoho hoe : na volosana hivoa-drà aza tonga foana rehefa tsipazana fotsim-bary. Henjana ny fidangan’ny vidim-piainana dia nampidinina kely ny vidin-tsolika, fa moa tena misy fiantraikany amin’ny vidim-piainana ? Mafampana ny toe-draharaha, miakatra ny maripana politika, dia ny fanomezana baiko sy toromarika ireo rafitra manam-basy sy manana fahefana isaky ny faritra no atao mba hanenjanan’ireny. Tsy tena misy lalan-kivoahan’ny Firenena hita soritra aloha hatreto, fa toa zary lasa manana endrika fonjabe mitafo lanitra i Madagasikara. Any amin’ny Firenen-kafa, vao misy zavatra tsy mety, henjana ny tsindry mahazo ny mpitondra, ary miongotra amin’ny toerana, fa eto amintsika terena amin’ny basy aman-tafondro hisotro ny rano tsy tiana. Haharitra an’izao mandra-pahoviana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT