Mbola hifamingana ihany ve e ?

Mafana ny fifandroritana sy ny


  • Zoma 23 Janoary 2026

ady ara-tserasera mikasika ny

politika tato anatin’ny 24 ora farany, indrindra taorian’ny fandaharana nataona tompon’andraikitra ambony iray. Dia raikitra ny fifanaovana setriny sy valin-kafatra,… Tena mangotraka ny fifanenjehana sy fifampitsikerana, ary manampy trotraka ny mpanisy sira sy mampiady. Asa hoe : tena izay ve ilay hoe harena ny tsy fitovian-kevitra sa dia efa fambolena toe-tsaina mirefarefa any an-kady? Ahoana marina ny fomba fandraisantsika Malagasy ny antsoina hoe politika ? Tena raisina amin’ny fo sy saina tsy miangatra ary ao anatin’ny fandihinihana sy fanganjanjana hoe : marina sa diso ny hevitra na fijery notenin’ny mpanao politika iray sa fomba fijery hafa mihitsy ? Mbola hoentina amin’ny fanohanana na fankahalana an-jambany hatrany ve ilay politika eto amintsika ka ny taona no mivadibadika fa ilay fiovana sy fanovana ara-toe-tsaina mbola ny omaly tsy miova ? Asa re !!!! Ankoatra izay, misy tsio-drivotra na fomba fiasa politika hafahafa misy te hametraka ihany koa ve sa sanatrian’ny vava ? Misy te hifehy ny fahefana tsy azy eto amin’ny tany sy ny Firenena eo anatrehan’ny toe-javatra toa mifamahofaho tato ho ato. Isan’ny tranga nanaitra ohatra ny resaka fanendrena PDS tany Toliara izay nifamahofaho tanteraka ny resaka, ka 24 ora aty aoriana, no mamaky bantsilana na manazava ny Minisitra tompon’andraikitra fa tsy nanasonia an’izany. Tsaho niely sa nisy nitsapa ny halalin’ny rano tao na nampiasa fahefana tsy azy ? Hafahafa ihany koa ilay toe-draharaha nitranga tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny resaka niely manodidina ny fanonganana ny filohan’io andrim-panjakana io sy ny fikasana hanolo azy. Tsy misy resaka sy fanazavana ofisialy nivoaka hatramin’ny omaly. Inona marina no mitranga ? Resaka fahefam-panjakana sy Fanjakana tan-dalàna ary raharaha manodidina andrim-panjakana izay isan’ny miandraikitra toerana stratejika eto amin’ny Firenena. Ny mety ho fahadisoana na fandikan-dalàna na fihetsika kely tsy voatandrina, dia mety ho fandoto iray tandroka hanimba sy hanaratsy tanteraka ny hasin’ny Fanjakana. Fifandrifian-javatra sy tranga mety ho lojika ve ny tahaka izany ireny sa endrika maneho fa misy te hambabo ilay fahefam-panjakana ho amin’izay maha metimety azy ? Mipetraka tsara sy voahaja ve ny fisaraham-pahefana sa sanatrian’ny vava misy vondron’olona na vondron-kery avy any amin’ny andrim-panjakana hafa te handidy sy hanapaka amin’ny toeran’ny rafi-panjakana hafa mahefa ? Tsy finiavana hisintona lakolosy handrirotra amin’ny tsy tokony ho izy, fa kosa sarotiny ny olom-pirenena, saro-piaro amin’ny fanovana,… ka sao ny zavatra azo sorohana sy halamina no hamotika ny fototry ny fanavaozana sy fanovana nimatimatesana. Ny any amin’ny andaniny mantsy hikoha-maina aza atao mainka fa misy sery hanilihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT