Nivoaka iny izany ny lisitry ny kandida afa-panadinana teo amin’ny dingana voalohany, ka ofisialy ny fahafaha-mandray anjara amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka. Mbola manana fe-potoana hahafahana mameno ny fepetra ny hafa na izany aza.
Latsaky ny ampahatelon’ny tamin’ny 2013 ny isan’ireo mpifaninana, izany hoe: mety ho mora kokoa amin’ny vahoaka no hifidy izay hisolo vava azy. Ny zavatra tsikaritra aloha, dia tena hanao izay ho afany ny fanjakana Rajoelina hahazo ny maro an’isa amin’ny fomba rehetra. Ampiasaina ao anatin’ny vovonana handrotsahany kandida ny anaran’ilay filoha ka tsy hay na fampiasana ny anarana sy fahefam-panjakana no azo handikana izany na inona? Efa hita taratra sahady ilay fampiasana ny fahefam-panjakana ho an’ny tombotsoa politika, raha tarafina tamina karazana baiko na fanentanana nataona olom-panjakana tao Toamasina tamin’ny fahatongavan-dRajoelina tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Malalaka ny olom-pirenena na hanotrona na tsy hanatrika izany, kanefa toa miverina ny tamin’ny andron’ny sosialista fahiny, hoy ny olona. Ny resaka hosoka samihafa ihany koa dia manomboka mandeha amin’izay ny ahiahy vokatry ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filoha. Lojika ary tsy mahagaga raha betsaka ny natahotra ny ho very vola, izay nasondrotra avo 10 heny mahery kanefa ny antoka amin’ny fangaraharahana sy fahadiovan’ilay fifidianana manalasala. Hanakoako indray izany ny propagandy atsy ho atsy. Hafampana indray ny tanàna, ka ho adinodino ny fahasahiranana samihafa. Handeha ny kizarazara sy ny kimoramora, izay irariana mba hivadika ho fikatsahana vahaolana maharitra ho an’ny valalabemandry atsy ho atsy fa tsy fividianana ny safidiny. Samy manao izay fomba handreseny lahatra sahady amin’izao fa anjaran’ny tsirairay no mandinika sy mamakafaka izay olona hanompanany ny safidiny. Ny tsindriana foana aloha, dia mila olona sahy mijoro, mipetraka ho arofanina ho an’ny mpitondra, fa tsy mpanara-drenirano lava sy voavidina malety isika. Ady politika ny fikatsahana seza etsy Tsimbazaza, fa ady goavana mbola tsy resin-dRamalagasy I Rafahantrana sy Rafahasahiranana, ka mila olona afaka hanery ny fanjakana mpanatanteraka tena hiasa ho an’ny vahoaka fa tsy hameno paosy ohatran’ny fahita tato anatin’ny 10 taona isika!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.