Herinandro sisa dia hifarana indray ny volana janoary 2011. Tsy mety tafatsangana ihany anefa hatramin’izao ilay tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra. Toa mbola misy aza ireo ankolafy politika no milaza fa tsy hiditra ao anatin’ny sambo satria tsy mazava tsara ny lalana tian-kaleha ary hafahafa ihany koa ny firafitry ny ekipazy. Fa izany moa fomba fiady ihany eo amin’ny politika e ! Mody manindry bokotra na mamoaka fanambarana arahana “ultimatum”, na manao mampalahelo dia mitombo ny isan’ny seza angatahana avy eo, dia tahaka izany hatrany. Tsy maintsy mbola hafampana ihany ny resaka politika amin’ity herinandro ity satria efa nifoha tamin’ny torimasony indray ny CNOSC ary nampahafantatra ireo ankolafy politika fa ho avy ny fihaonambe, mitovitovy tamin’ireny natao teny Ivato ireny.
Zavatra efa nambara mialoha ny fihaonambem-pirenena izy io, saingy noho ny fiomanana angamba no naha ela ny fanatanterahana azy. Tsy mbola fantatra kosa aloha ny daty hatreto, fa ny azo antoka dia tsy maintsy hisy ilay izy. Afaka herinandro mahery kely eo koa izany no mety hotanterahana ny fivoriana ara-potoan’ny Parlemanta dia ny CT sy ny CST, ka ny resaka famotsoran-keloka sy ny fandinihana ny lalàna hifehy ny antoko politika eto amintsika ary ny lalàna momba ny fifidianana no hanamarika izany fivoriana izany. Izay aloha no fantatra fa tsy hay izay mety ho fiovan-javatra eny am-panidinana eny. Ao anatin’izay resaka politika izay dia samy maminavina ny mety ho akon’ilay fitoriana napetrak’Atoa Marc Ravalomanana taorian’ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra roa mifonja eny Tsiafahy ny maro, dia ny jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles.
Mety hanova ny fifampidinihana sy ny fizarana seza ve iny sa dia mandalo fotsiny tahaka ireo fanambarana efa ho an-jatony nisy teto hatramin’izay ? Mbola misy lanjany eo amin’ny dinika rehetra ifanaovana ve raha toa ka voaporofo marina fa tena nanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny basy i Andry Rajoelina ary nanome vola ny ampahany tamin’ny foloalindahy. Mbola mitombina ve ny fiaraha-mitantana sy ny fanagadrana ireo mpitarika politika amin’izay fotoana izay, ary ahoana ny amin’ireo mbola any an-tsesitany ? Raha ny resaka eny Tsimbazaza sy Anosikely aloha dia famotsoran-keloka faobe no mety hosafidian’ny Parlemantan’ny tetezamita, satria izay ihany koa no tapaka nandritra ny asam-baomiera saingy niova rehefa tena navoaka ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena teny Ivato.
Mbola sarotra anefa ny hahatafidiran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’io resaka io satria ny vanim-potoana 2002 – 2008 no voaresaka eto, ary nambara fa hodinihana manokana ny momba azy, saingy raha voaporofo fa mitombina ny ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra roa dia tokony ho foana sy tsy manan-kery avy hatrany ny fanamelohan’ny fitsarana ity filoha teo aloha ity, satria izany dia efa lamina maty paika avokoa no natao nanomboka tamin’ny oktobra 2008 tany, ary tsy mitombina intsony ilay hoe nampamono olona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 i Marc Ravalomanana satria olona efa voakarama daholo no nalefa teny, ary nisy nitondra fitaovam-piadiana tamin’ireo. Tsy tafita mantsy, hono, ny tolona raha tsy misy ra latsaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.