Mbola hendry tokoa!

Mbola hendry ny gasy, hoy ny filohana antoko politika iray raha nanao fanambarana omaly.


  • Zoma 22 Septambra 2023

Mbola hendry tokoa angamba no isan’ny azo ilazana azy! Mbola hendry sa reraka?

Andrasana ho lasa maditra toy ny tamin’ny 1972 na 1991 na 2002 na 2009 sy 2018 ve sanatria raha noraisina fa ditram-bahoaka ireny tranga tsy azo nolalovana tao anatin’ny tanteran’ity firenena ity ireny? Sanatria ho rangitina ho any amin’izany indray ve izy io? Milaza ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena ankehitriny fa tsy misy krizy eto. Maninona ary no miantso fitoniana? Raha firenena tan-dalàna tokoa na mandala ny fahamarinana sy mangarahara na demokrasia sy fahalalahana ary ity firenena ity, maninona no tsy nisy nipiaka ny resaka nifanaovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ireo kandida teny Ambohidahy omaly? Ny herivelona rehetra ivelan’ny fitondram-panjakana izao no efa samy mahita fa lasa vazaha frantsay ilay filoham-pirenena farany teo izay mbola neken’ny HCC ihany ny filatsahan-kofidiany fanindroany. Maninona no tsy sahy miseho izay tomponandraiki-pitsarana nanome azy ny sertifika maha malagasy indray? Voalaza fa tsy manara-dalàna ilay famindram-pahefana any amin’ny governemanta hitantanana an’ity firenena ity raha tokony noraisin’ny filohan’ny antenimieran-doholona, rehefa jerena ny andininy faha 46. Tsy mifanaraka amin’ny andininy faha 52 koa satria hita fa salama tsara tsy marofy ilay filohan’ny lapa maitso ka noho izany tokony hametra-pialana izy fara-faha ratsiny rehefa tsy handray toerana ihany. Ny resaka hoe tomponandraikitra iray ao amin’ny fiadidiana ny repoblika vadin’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny HCC na koa ny filohan’ny CENI vadina minisitra teo aloha vao niala tsy ela akory moa manginy fotsiny. Tena tsy misy tokony ho amboarina sy ahitsy dien’izao lazaina fa mbola hendry tokoa izao ny malagasy ve izany rehetra izany sa mbola hitohy tsy haka lesona tamin’ireo tantara efa nanimba ity firenena ity hatrizay hatrany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT