Manomboka anio ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida, ary ho hita eo amin’izay hoe iza no nitsapatsapa sy nanao resabe fotsiny, saingy tsy sahy sy hihemotra, ary iza ireo tena sahy sy vonona ?
Ao aza ireo efa masaka ara-poto-kevitra hatry ny ela amin’izay olona hotohanany satria nijery sy nandinika ary nanaraka ny raharaham-pirenena, ka nahalala tsara hoe iry no nahavita sy tena niasa ary nampandroso ny firenena, iry kosa ilay namotika sy nandrava efa ary nanao fiainam-voalavo ka mamotika izay tandrify sy tsy mitsinjo ny ampitso, na koa hoe iry dia nampiesona fotsiny ary ny zavatra nambarany aza hatramin’izao tsy misy tanterany, fa izy mianakavy no nitombo harena andro aman’alina … Misy ihany koa ireo tsy dia fantatra firy, saingy inoana izay maro no hanao fitaovana ny tsy fahombiazan’ny teo aloha, toy ny sasany izay tao anaty sambo. Samy handresy lahatra vahoaka ireo, samy hiresaka sy hanasa atidoha… ary misy mihitsy aza ny sasany mety hizara vola sy hividy ny safidim-bahoaka. Dia tena takon’ity resa-pifidianana ity ny fiainam-bahoaka, izay ambikambin-javatra hatrany hatrany, saingy hatao fitaovana ato ho ato. Ny fampianarana tsy mivaha iray kanefa dia misosoka ny hafa, ny fitaterana manangasanga ny fampisondrotana saran-dalana, ny fakana an-keriny sy vono olona etsy sy eroa tsy vaovao amin’ny sofina intsony. Fa raha ireo kandida izay samy manam-bola be ireo aloha no miray hina sy mifanampy ary tsy hiady fa hifanohana sy hifamelona amin’ny Malagasy tokoa, dia tsy ho toy izao isika e ! Maro no hanasa atidoha fotsiny, ka dieny izao dia mila mijery sy mandinika tsara sao dia mijoboka e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.