Mbola hanaiky atao taingim-bozona?

Raha tokony ho rafitra mitondra fanantenana sy fandrosoana


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

ho an’ny vahoaka, dia lasa fanjakana tsy maty manota, tsy mahazaka fanakianana,

ary tsy mahavita manitsy ny lesoka. Ny trosa mitobaka dia tsy voazava amin’ny fomba nampiasana azy, tsy misy mangarahara, ary tsy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka. Ny tetikasa lehibe dia lasa fitaovana fanehoana seho ivelany fa tsy vahaolana maharitra: rendrarendra sy kabary no mameno ny sehatra,... fa ny fiainam-bahoaka, ny hopitaly, ny sekoly, ny lalana, angovo, ny rano fisotro madio dia mijanona ho nofinofy lavitra sy tsizarizary. Ny mpitondra sasany sy ny fianankaviany lasa mpandraharaha amin’ny fanjakana: manana tombontsoa manokana amin’ny fifanarahana miafina, manome asa amin’ny olona akaiky, ary manararaotra ny rafitra hangoronan-karena. Ny kolikoly dia tsy vitan’ny hoe misy, fa efa tafiditra lalina amin’ny fomba fiasa andavanandro. Tsy misy fanasaziana amin’ny heloky ny olona ambony satria namboarina ho araka izay ny rafitra mba hialofana, fa ny vahoaka madinika sy ny mpanohitra no sahaza ny fonja. Ny fanakianana dia heverina ho fanoherana, fa tsy fanatsarana. Ny vahoaka voatery miaina amin’ny fahanginana, amin’ny tahotra,... Izany rafitra sy lamina demokratika izany toa efa anarana sisa fa toa efa misy endrika fikorisana amin'ny fitantanana Andriamanjaka sy ifandovana? Arakaraka ny fisian'ny tsikera mivaivay no vao mainka mampidingin-drambo ny mpitondra. Mitombo ny fanjakazakana, tsy refesi-mandidy,... hany ka miha potika hatrany ny Firenena, ny fihariana, ny fiainam-bahoaka. Mendrika fitondrana mangarahara, mahay mandanjalanja, ary manaja ny filany ny Malagasy fa tsy fanjakana tsy maty manota, tsy mahafehy, ary tsy mahavita manitsy. Tsy vitan'ny manonofy anefa io fa mila fahatongavan-tsain'ny daholo be, mila fahatsapan-tena sy faharesen-dahatra fa mila miova sy manova, mila fandraisana andraikitra faobe,... satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Tena mila esorina ny omby mitondraka mba tsy hihitatra ny fahapotehana. Tsy tokony hanaiky ho kiviana lava ny Malagasy ! Mbola hanaiky hatao taingim-bozona? Ampy izay! Azo atao ny manova, azo atao ny mamaritra ho avy mendrika kokoa, fa tsy revin-gadra sy haingo ambony tsikoko lava no hampiainana ny Malagasy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT