Mbola hampanantena fahagagana !?

Akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny


  • Alarobia 08 Janoary 2025

kary, ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana,

aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga,… Ohabolana sy oha-pitenenena Malagasy azo hamintinina ny fiainam-pirenena indrindra ny fomba fandraisan’ny vahoaka ny toetra amam-pihetsiky ny mpitondra ankehitriny ireo. Tsy misy antenaina fa ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra. Tsy mety miaiky ny tsy fahombiazana, mbola mandrehitra afo sy mandranitra eo anatrehan’ny fahatram-bahoaka,… Tia fahefana kanefa tsy mahomby fa dia terena hisotro ny rano tsy tiana, terena ho tia sy hanaiky mpitondra tsy mahomby ny vahoaka ! Dia mbola sahy hilaza sy hiteny ve ny mpitondra ankehitriny fa mamim-bahoaka ? Tena mbola taratry ny fankatoavana sy fankasitrahan’ny maro an’isa na « adhésion populaire » ve ny fahazoana maro an’isa tamin’ireo fifidianana 3 farany nifanesy sa amboletra sy sarintsarim-pandresena ? Miharatsy hatrany ny fiainam-bahoaka, tsy misy mangirana azo antenaina hatreto, fa dia terena hiaina amin’ny zava-misy. Fampanantenana lava, fanaovana serasera lava fa hanao an’izao hamaha ny olana izao,… angaha mahavelona ? Ny filalaovana ny fahantram-bahoaka amin’ny fizarazarana tsy dia manao ahoana angaha mahavaha olana ? Mihasarotra ny zava-misy, ary ny tena loza dia miha misavovona ny olana sy ny fahantrana satria ny tsy fahaiza-mitantana an-taonany maro, ny tsy famahana olana hatry naharitra,… no mitambatra. Ohatra mivaingana ny Jirama, ny vidim-piainana,… Dia mbola sahy hamita-bahoaka hilaza fa hahavita fahagagana ve ny Fitondrana ankehitriny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT