Edito

Mbola be ny asa miandry


  • Sabotsy 07 Janoary 2017

Tsy misy aza moa manantena, mainka moa fa hoe nitombo 7% ny karama dia mba velom-bolo ny mpiasam-panjakana; manantena sy manam-pinoana koa ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina fa mba hahazo izany


.Hita ihany hoe miezaka ny fitondram-panjakana fa na izany aza mbola tena lavitry ny afo ny kitay eee.Be loatra eto Madagasikara nyelanelana eo amin’ny manankarena sy ny olona sahirana..ary toa miha mitombo hatrany io elanelana io aza.Anisan’ireo firenena ahiana hahafoana ny sokajim-piaraha-monina eo antenatenany na ny “classe moyenne” i Madagasikara raha izao no mitohy .Rehefa misy anefa ny olana dia tsy maintsy misy ny vahaolana, fa ny olombelona mihitsy matetika no manasarotra ny fiainany; olan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny ny fiononana amin’ny kely izay ananana, hany ka tsy mikaroka zavatra hafa intsony.Asa hoe noho ilay fahazahiranana izan’andro koa ve fa dia tsapa fa tsy miasa saina firy intsony amin’ny resaka kalitao na ny fahatsaran’ny zavatra ataony na jifainy ny Malagasy  fa rehefa mahavelona sy ahazahoam-bola dia izay.Mafonja noho izany ny asa miandry ny fitondram-panjakana satria goavana ny fanarenana, ary ny fomba fisainana mihitsy no mila miova.Fa tsy hoe rehefa misy ny loza misesisesy dia ny Sprinter no omena loza..ny sprinter tsy nihetsika raha tsy nisy mpamily ary hikorontana foana ny fifamoivoizana rehefa tsy hajaina ny fepetra napetraka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT