Edito

Mbola baraingo !


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna ny fitadiavan’ny fanjakana ankehitriny hevitra hitazonana ny fahefana eo am-pelatanany.

Na amin’ny lafiny lalàna na amin’ny alalan’ny fampiasan-kery, dia izay no tanjona sy tarigetra na inon-kidona na inon-kihatra. Mandeha ny fanambatambazana ny tafika mba hamoritra, izay mety hanohitra na hiaro amin’ny fibodoana fahefana mihitsy. Mandeha ny kajikajy amin’ny resaka lalàna, toy ny famotehana mialoha izay kandida atahorana, mba tsy ho afaka milatsaka. Ireo mety malemy sy tsy atahorany haharesy azy sisa mety hahita mangirana raha tsy sanatria hovidiany sy hateliny hiaraka aminy ao. Raha toa ka ho tanteraky ny HVM tokoa ny tanjony dia inona no hitranga ? Hiverina amin’ny zava-misy ankehitriny ve hoe himenomenona anaty haino aman-jery ireo milaza azy ho mpanohitra ? Hivory etsy sy eroa, ka mbetika milaza hanogana tsy misy hatak’andro, mbetika hilaza fa mbola hifampidinika ? Mbola baraingo ny zava-drehetra, ka miandry izay hiseho ny rehetra. Mety ho maro ihany ny zavatra tsy hampoizina sy hiseho, saingy samy miandry izay ho figadony ny rehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT