Edito

Mbola azo ahitsy tsara


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Raha ny resaka natao teto izay dia efa misimisy ihany.Fa dia izao iaraha-mahita izao hoe mahantra ny firenena, miha mahantra ny vahoaka Malagasy.

Mahantra ara-tsaina, mahantra ara-batana, mahantra ara-pitaovana, ary ny tena zava-doza dia mahantra ara-panahy ihany koa.Manomboka very tanteraka ilay hoe ny fanahy no olona, ny fanahy no maha olona. Fahendrena Malagasy, mitady ho angano sisa, Malagasy lasa mifanebaka, mifanala baraka, mifandrafy, mifamoaka teny mahery tsy voahevitra, mifangalatra, mifampisoloky, mifamono, Malagasy mahavita manapa-doha Malagasy, Malagasy mahavita manaisotra ny voamason’ny zanaka Malagasy…Mitady ho lasa fanampin-tsakafon’ny tanora Malagasy ny rongony mahery vaika, toa mibosesika miditra eto, tsy hay hoe fa nahoana. Indrisy anefa fa dia mbola mandraka lasantsy amin’ny afo efa manomboka mirehitra ihany ireto antsoina hoe manampahefana, mpitondrana fanjakana…mamoaka teny tsy voahevitra, mampiseho fihetsika tsy maontina, lasa ohatra ratsy ho an’ny vahoaka.Ahoana moa no hiheverana hisiana fampandrosoana eto raha tonga dia misy ampahana vahoaka ahilika , na atoka-monina, na atao maty henjika vao mba mihetsika kely. Inona no fivoarana azo antenaina raha ny mitarika no tsy mahalala akory ny anjara andraikiny sy lasa ingo manao matso ? Azo heverina ve ny hipetrahan’ny fifampatokisana sy fifanajana raha don-tandroka sy fanaovana ramatahora foana no atao isaky ny misy mba mampiseho hevitra na foma fiasa hafa ankoatra ny anao ? Tsy mbola tara raha tonga saina dia manitsy ny dia, ho aiza moa fa samy ho eto foana ihany, na mitsoaka aza raha sanatria raikitra ny savorovoro, tsy maintsy mbola hiverina eto ihany.Ka tsy aleo ve alamina dieny izao, tsy mba mahafinaritra ve ny miaina anaty tontolo milamina, ao anatin’ny fifanajana.Ny hevitra anie tsy hitovy eny foana fa ny tanjona ho amin’ny fivoarana sy fandrosoana kosa tokony itambarana ny fanekena azy e. Fanovana ho amin’ny tsara anie ilay noresahana fa tsy fanovana mankany an-davaka e !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT