Edito

Mbola asa be


  • Talata 02 Aprily 2013

Vita iny ny fety sy ny fialan-tsasatra lavalava fa dia miverina miasa indray ny rehetra. tsy misy andrakandrana intsony koa eo amin’ny sehatra politika fa miditra amin’ny tena resaka amin’izay manomboka amin’ity herinandro ity. Tokony ho vita izay ny fifampitsapan-kery.

 Andrasan’ny maro izay ho filoha hitantana ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Mitana ny sain’ny mpanara-baovao ihany koa izay ho kandidan’ny antoko TGV, hiatrika ny vovonam-pireneny ny zoma sy sabotsy ho avy izao. Tombantombana no betsaka hatreto fa tsy tena misy mahalala marina izay anaran’ny kandidan’ity antokon’ny fitondrana ity. Ny azo antoka fotsiny dia hohenjana ny fifandresen-dahatra satria anarana 4 no re matetika, samy manana ny mpanohana azy izy ireo, manana ny eritreriny i Andry Rajoelina saingy tsy maintsy mitandrina izy mba tsy hampisaraka ny antoko noforoniny.

Ny ankolafy Ravalomanana dia mbola manizingizina fa tsy maintsy tafody eto i Dada, ny fampiharana manontolo ny tondrozotra no tokony himasoana, hoy i Mamy Rakotoarivelo fa aoka aloha tsy ho maika amin’ny fifidianana. Samy manana ny fomba fiadiny moa ireo ankolafy politika tsirairay avy, fa ny an’ity ankolafy ity dia efa mazava hatry ny ela fa tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Tsy hilefitra amin’io ry zareo raha ny fandrenesana ireo kabary ifandimbiasana eny amin’ny Magro ka asa izay ho tohin’ity raharaha ity.

Ao anatin’izany rehetra izany, mikofokofoka mafy ny CENI-T, ao anatin’ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana izao, ka fotoana tokony hanamarinana ny tsy mety na ny diso na ny mifamadika, manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ny mpifidy. Tsikaritra ihany anefa fa tsy mazoto mijery ny anarany eny amin’ny fokontany ny mpifidy Malagasy. Hatreto dia hita ho marefo ihany koa ny fanentanana ny mpifidy fa toa ny fifanasana vangy eo amin’ny samympanao politika, mpitondra fanjakana sy ny firaisamonim-pirenena no mbola mibahan-toerana amin’ny gazety sy ny haino aman-jery. Midika izany rehetra izany fa mbola asa be no miandry ny tsirairay. Tena ilaina ny fifampiresahana, mila matotra ny fifandaminana, tsy maintsy misy ny fifandeferana ary tena iainana fa tsy atao kabary fotsiny ny fihavanana raha tiana hohajaina ilay datin’ny fifidianana amin’ny 24 jolay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT