Namela tandindona ratsy ho an’ny tantaram-pirenena ny fankalazana na fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 martsa 1947.
Tsingerin-taona faha-63 no nomarihina tamin’ity 2010 ity. An-daniny, namoha ny afom-pitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy indray izany, an-kilany dia mitafy henatra ny Malagasy teo anatrehan’ny zava-mitranga ka mampanontany tena hoe, ao ampon’ny Malagasy tokoa ve izany fitiavan-tanindrazana izany ankehitriny? Raha ny vazaha frantsay, mpanjanatany no fahavalo namoizan-dRamalagasy aina sy namoizany fananana 63 taona lasa izay, ankehitriny dia samy Malagasy no mifandrafy, ary vitan’ny miaramila Malagasy no mandefa baomba mandatsa-dranomaso amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy, hiarovana tombontsoan’olom-bitsy. Etsy an-kilany indray dia hagagana no ahitana fa misokatra avokoa ny androatokon’ny toeram-pivarotana teto an-drenivohitra, eny fa hatramin’ny toerana fisotroan-toaka aza.
Naresaka ny tsena, nifanaretsaka ny olona. Roa no antony, na tsy tafita any aminy ny afom-pitiavan-tanindrazana fa nandairan’ny kolontsaina vahiny zarazarao anjakana izy, na endri-panoherana ny mpitondra fotsiny izao. Na izany aza dia mampieritreritra ny zava-mitranga ankehitriny, ka hampahatsiahivana fa nandalo fisedrana samihafa anie ny razambentsika niady ho an’ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena e ? Niady tamin’ny mpanjanaka izy ireo ary nanohitra ny mpanani-bohitra frantsay. Tsaroana etoana ny ady voalohany nifanaovan’i Frantsa sy Madagasikara teo anelanelan’ny taona 1883 sy 1885, izay niafara tamin’ny fanaovan-tsonia ny fifanekena ny 17 desambra 1885 ka lasa “protectorat” frantsay i Madagasikara ary mandoa onitra 10 tapitrisa farantsa. Notohanan’ny Anglisy i Frantsa ka takalony ny nandraisan’ny Anglisy ny nosy Zanzibar. Nisy koa ny ady tamin’ny mpanjanatany frantsay teo anelanelan’ny taona 1894 sy 1895. Vokany, tafiditra tanteraka ny mpanjanaka ka namahanan’ny Jeneraly Duchesne teto Antananarivo. Lasa zanatany frantsay i Madagasikara ny 06 aogositra 1896 ka nalefa sesitany tany “la Réunion” ny mpanjaka Ranavalona III ary tany “Algérie” ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Tsy nampihemotra ny tia tanindrazana anefa izany, ary nisotro ny aleoko maty mihitsy izy ireny nanavotana ity firenena ity. Niseho tamin’ny endriny samihafa ny ady tamin’ny mpanjanatany frantsay. Nitsangana ny Menalamba teo anelanelan’ny desambra 1895 sy ny volana oktobra 1896 niady tamin’ny mpanjanaka sy ny Malagasy noheveriny niaraka tamin’ny mpanjanaka.
Nanohy ny ady nandritry ny folo taona izy ireo anaty fikambanana miafina. Tsy nipetra-potsiny ny mpanjanaka, porofon’izany ny nanendreny ho Governoran’i Madagasikara ny “Général de Brigade Joseph Simon Galliéni” ny 15 septambra 1896 ka ny baiko azony dia ny “mampandry tany”. Izy no nampiasa ny politikan’ny fanavakavahana ara-pirazanana teto Madagasikara. Henjana ny hery famoretana satria dia ripaka ny mpiady sy ny vahoaka Malagasy iray hetsy mahery tamina mponina telo tapitrsa noho ny famonoana nataon-dry Jeneraly Galliéni, Kolonely Combe, Komandà Gérard, sy ny hafa. Tsy nampihemotra ny Malagasy anefa izany, ka niforona ireo Fikambanana miafina, antoko politika, gazety… ny tia tanindrazana. Teraka ny Vy Vato Sakelika (VVS) ny taona 1915, nahitana an-dry Randrianasy Vincent de Paul sy Raoelison Armand, niforona ihany koa ny Parti Communiste de la Région Madagascar (PCRM) ny taona 1936, narahin’ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM) ny 11 febroary 1946 / 10 mey 1947. Narahin’ny gazety isany,
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.