Edito

Mbola ankamantatra…


  • Zoma 29 Mey 2020

Ny fanampiana avy amin` ny fanjakana dia mbola tsy misy resaka. Mahatsiaro tsisy mpiahy ireo orinasa izay mampiodina ny toekarena.

 

 

 

 Tsy misy zavatra mivaingana. Na dia eo aza ny fanalefahana ny fandoavan-ketra, ny trosa mitoetra foana. Mila fepetra hahafahan’ny rehetra mivelatra. Marihana fa Madagasikara dia miaina amin` ny 80%n` ny fanafanarana entana Ny firenen-kafa efa manomboka manarina ny toekarenany, noho izany mety hiakatra ny vidin` ny entana ka tsy eo no ho eo ihany koa ny fanarenana ny fanjifana. Eo amin`ny sehatry ny lavanila ohatra, dia Madagasikara no mamatsy ny 80%n` ny tsena iraisam-pirenena. Misy ny didim-panjakana, hoy ny mpandraharaha iray, fa afaka mandany ny tahiriny izy ireo hatramin` ny 31 mey saingy dila izay daty izay, ahoana ny tohiny ? Tsy fantatra izay hitranga amin`ny taoan 2021, hoy iahny izy. Ny drafim-panampiana dia tokony hamaritra ny fivoahana amin` ny krizy na dia efa misy aza ny tsikera ataon` ireo mpanara-baovao. « Ahiako fa ireo fanampiana dia ireo orinasa akaiky amin`ny fitondrana no hisitraka azy satria tsy misy nfepetra iraisam-pirenena mba hahafahan`ny rehetra misitraka izany » hoy Ketakandriana Rafitoson, tale mpanatanteraka eo anivon` ny Transparency International. “Olana mipetraka dia 5% ny zana-bola alain`ny BFM ary nalefa any amin` ireo banky fototra izany vola izany ka ireto farany no mivarotra indray amin`ny sehatra tsy miankina ka maka zana-bola hatramin` ny 9%. Noho izany, mahazo tombony 4% ireo banky ara-barotra » .Atrehana izay misy, saingy tena mbola ankamantatra ny famahana ny krizy a !

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT