Edito

Mbola anaty krizy e


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Miroso ihany ny andro sy ny volana fa tsy mbola hita izay fanovana goavana aeto Madagasikara, mampanahy ny ho avy.


Ny samy Malagasy aza mifampiahiahy ka ahoana moa no hatokisan’ny vahiny mpiara-miasa sy mpamatsy vola antsika ? Re indray izao fa hnao mokon-doha amin’ny fitantanana ny firenena ny HVM ary tsy te hahalala ny ankolafy politika hafa, na ny antenimieram-pirenena aza toa hoe : efa mihozongozona satria tsy mety amin’ingahy filoha ny fiaraha-miasa aminy.Tsy dia atao mahagaga moa izany amin’ny resaka politika satria natevitevina ihany ny fifanolanana tahaka ny fikasana handrodana ny floha sy nypraiminisitra fotsiny ohatra tamin’iny 2015 iny.Ahiana ny hisian’ny korontana satria efa maro loatra ny fahasosorana sy ny fahatezerana,misavovona tahaka ny fakon’Antananarivo ny fahadisoam-panantenana ary iaraha-mahita fa tsy misy ny vahaolana azo tsapain-tanana sy mety hivoahana amin’ilay krizy.Maro ny olona alaim-panahy hieritreritra fa mbola tetezamita ihany nomisy eto Madagasikara ankehitriny ary tena mbola mikatsaka mafy ialy fankatoavana tena izy avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondram-panjakna.Asa mafy sy sarotra io, saingy misy koa anefa ny asa hafa, afaka tonga dia atomboka raha toa ka tena vonona hanavotra  ny Malagasy marina ireo mpitantana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT