Edito

Mba tsy ho loharano ritra !


  • Zoma 17 Aprily 2020

Tian’ny filoham-pirenena malagasy loatra moa ity mampiasa voambolana misy ny teny hoe rano ity ao anatin’ireo tetikasany.

 

 

 

 Samy mbola miandry ny fahatanterahan’ny velirano nataony ny malagasy rehetra hatramin’izao. Inoana sy antenaina fa tsy ho atao fialana bala nohon’ny sanatria tsy ho fahatanterahan’izany indray izao fandalovana areti-mandripaka eto amin’ny firenena izao. Efa maro rahateo ny toromarika nomena nisorohana ny tsy hidiran’izany teto. Mba tsy ho loharano ritra koa anie ny tetikasa nametrahana ilay rafitra loharano eny ifotony! Efa maro rahateo koa ankehitriny ireo mpisehatra politika sy mpandinika mitsikera izany tsy ho isan’ny rafitra itsinjaram-pahefana ka asa na mbola heverina ho toy ny adala koa izy ireny. Ekena fa tsy manam-piniavana mihoatra izay manolo-tena kanefa ny finiavana koa io samy manana ny azy ao anaty fiarahamonina ao. Indrindra moa fa ao anatin’izao soatoavina efa manomboka ialan’ny maro sy mivahavaha izao. Inona no antony nisafidianana ny rafitra repoblikanina hitantanana ity firenena ity moa izany raha tsy hiezaka hampiantra araka ny tokony ho izy ny atao hoe demokrasia? Efa tsy nofidiana ny governora. Efa tsy nofidiana ny sefo fokontany. Dia mbola olona mampalay fonosana ny eny ifotony koa ve no avela hoe hanolo-tena hitsinjara ny tokony ho anjara fanampiany kanefa ny ao anaty fitondram-panjakana malagasy mihitsy no efa misy miaiky fa tsy afaka amin-dRamalagasy intsony ity toe-tsaina tia kely ity? Samy naniry ny rehetra fa hanavao ny toe-tsain’ny malagasy sy ny fomba fiainany amin’ny ankapobeny mihitsy izao zava-misy izao ary mbola hirariana hatrany tokoa ny hisian’izany kanefa dia mbola tsy tafapetraka aloha izay fihatsaran’ny toe-tsaina sy fombantsika izay. Anjaran’ny fitondram-panjakana noho izany no manome ohatra mety sy marina ahafahana tena miverina an-doharano.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT