Edito

Mba tsy ho balarora manara-penitra


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Valala tsy an-tànana tsy hatolo-jaza, hoy ny ohabolana nolovaina tamin’ny fahendren’ny Ntaolo.

 

Veliranom-bazimba, ka izay mivadika aloha kely ila,… Zary nalaza tato anatin’ny roa taona teo io voambolana velirano io, nentina nambaboana ny fon’ny Malagasy tamin’ny fampielezan-kevitra. Fampanantenana mirarakopana, fampanofinofisana manara-penitra,… Tsy misy zavatra ratsy, fa tena ilaina tokoa na mety azo iadian-kevitra aza indraindray ny sivana amin’ny tokony ho laharam-pahamehana sy maika kokoa. Faritana daholo fa atao izatsy, atao izarao, hany ka tena tsy lany bala mihitsy, hoy ny tanora. Mialohan’ny hiadiana varotra anefa, dia mila jerena ny any am-paosy, hoy ny fomba fiteny sy fomba fisaina. Tena vory lanona ve ny hoenti-manana ara-bola sy ara-teknika? Tena efa misy ve ny mpiara-miombon’antoka? Toa mba efa re ihany mantsy am-polo taonany izay fony tetezamita isika ny hoe: efa any anaty sambo ny tramway fa mby aiza no tsy nety tonga, hanamboatra ozinina mpanamboatra simenitra amin’ny vidiny mora,… Ny zavatra fohy ezaka nambara fa hovitaina afaka 10 andro aza enim-bolana aty aoriana tsy hita izay vokany, kanefa ireo fampanantenana vaovao toa lavitr’ezaka arivo avo eny amin’izany. Zava-dehibe ny velirano, fa rehefa tsy tanteraka dia lasa “balarora” ka ny irariana mba tsy ho izay intsony. Etsy ankilany, mahafinaritra ny mandre, fa ezahina hajoro eto ny ozinina mamokatra ny filantsika. Moa va tsy ny vary no filana fototra eto fa ny governemanta Malagasy no manafatra an’aliny taonina hozarazaraina ka atao mahagaga ve raha mitotongana ny vola ariary? Resahina fa homena vahana ny orinasa Malagasy kanefa mitohy an-kitrongy sy ankamotika folo taona aty aorian’ny fandrobana sy fandorana. Tsara petrapetraka ny resaka sy fampanantenana, ary ny filazana fa miasa, fa andrasana ny vokatra. Miandry ilay hoe ho sangany, izay amin’ny serasera ihany hatreto, fa raha ny toekarena sy sosialy, dia mihemo-dava tsy araka ny velirano.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT