Edito

Mba tongava saina e !


  • Talata 16 Febroary 2021

Any aorian’ny volana jona 2020 vao hihatra ny PEM , na ilay drafi-pampandrosoana ny firenena

 

 

 mifanaraka amin’ny vina sy ny tetikasan’ny filoham-pirenena.Ity farany izay ny volana janoary 2019 no nandray fahefana, roa taona sy tapany aty aoriana izany vao tena hotanterahana ny zavatra nampanantenaina nandritra ny propagandy.Inona ary no natao mialohan’izay, valiny tsotra sady mazava : fanova-maso.Natsangana ny fotodrafitrasa manjelanjelatra sy manaitaitra, noresahana daholo izao tetikasa mampanofinofy rehetra izao ; maro tokoa no variana fa tsy vitsy koa no efa tsy taitra intsony.Tsy ny tetikasa mihitsy anie no ratsy e, fa ilay fametrahana ny tena laharampahamehana.Ny lafiny sosialy izao no tena maika, manaraka ho azy ny fanorenana fotodrafitrasa aoriana.Ny olona tsy misakafo, tsy misotro rano, tsizarizary ny trano fonenany, hanamboarana sekoly manjelanjelatra be izy, dia mby miverina ao an-tsaina ilay hoe : fa azo hohanina angana ny trano ? Sakafo, fitsaboana, rano fisotro madio, fandriampahalemana, asa…ireo no filana fototra.Rehefa mba milamindamina ireo tokony hisosa ho azy ny zavatra hafa.Efa nampoizina hoe hanao mody fanina ny mpamatsy vola, tsy hisy hametraka ny volany amina tetikasa maniditsidina izany mihitsy kosa. Tsy tokony hatao mahatezitra ny fahatarana, fa handraisana lesona : aza be fampanantenana amin’ny sisa, jereo tsara aloha ny tena filana vao mametraka tanjona.Rehefa tsy milamina ny toekarena sy sosialy dia mikisaka ho azy any amin’ny sehatra politika ny krizy, ka izao iaraha-mahita izao. Tsy propagandy intsony anie izao fa efa tena miasa mihitsy e.Ka mba tongava saina ihany fa efa ataon’ny olona fihomehezana .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT