Edito

Mba rahoviana ihany ary e ?


  • Talata 05 Janoary 2016

Marary ny toekarena Malagasy, izay no zava-misy vokatry ny krizy novolena teto nanomboka tamin’ny 2009


.Tsy iadian-kevitra ny amin’iny ary tokony hampieritreritra tsara ny tsirairay amin’izay fa vidina lafo ny fanonganam-panjakana sy savoritaka, io no antony mampihisatra ny fandrosoana aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.Efa rano raraka an-tany moa iny ka tsy misy azo atao intsony, fa ny andrandrain’ny maro izao dia ny hoe :rahoviana ary no hiarin-doha amin’izya ity Madagasikara ity e ?Re matetika mantsy ny hoe manankarena na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany eny hatrany anaty ranomasina i Gasikara saingy miha mahantra isan-taona ny Malagasy.Raha tsao-kevitra tsotsotra no atao dia ny mpitondra sy mpitantana nifandimby teto mihitsy izany no tsy mahay e !Ary raha nisy ny saika nahavita zavatra tsara dia noenjehana sy noharatsiana ary narodana.Misasaka ny fotoam-piasan’ny filoha ankehitriny, fampanantenana sy kabary aloha hatreto no nahafantaran’ny maro azy, miampy ny fivoahana matetika any ivelany, tsy tena mbola tsapan’ny Malagasy ny rivotry ny fiovana ; toa vao miha aza mihombo ny aretina ary vao miha zava-doza fa mitombo isa koa ny manampahefana tia fahefana sy voninahitra, tia tena ka tsy mahalala afa-tsy ny hameno ny paosiny fotsiny.Mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka satria tsy mahavita mandamina ny fiaraha-monina ny mpitondra eto, ho hita eo indray izay hitranga amin’ity taom-baovao ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT