Edito

Mba rahoviana


  • Alatsinainy 20 Janoary 2020

Itodihana ny lasa, atrehina ny ny ankehitriny, banjinina ny ho avy.

 

Karazana teny filamatra famerimberina mpampianatra maro izany rehefa tiany hahay haka lesona amin’ny nety sy tsy nety nataony ny mpianany. Torolalana efa fanaon’ireo firenena manerana izao tontolo izao koa anefa mba hahafahan’ireo mpitondra azy ireo hahay haka lesona amin’ny tsy nety tamin’ny lasa, nahafahan’izy ireny nanitsy izany ankehitriny ka nandrosoan’ny ankamaroan’izy ireo sy nihoarany antsika lavitra ary mahatonga antsika miverina ao anatin’ny firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany indray ankehitriny. Samy nalaza tamin’ny revolisionina ny mpitondra nialoha ny taona 2002 sy 2008. Nanjakan’ny revolisionina sosialista nandritry ny 20 taona mahery ny tanàna ary tsiahivina fa ampahany tamin’ny zava-nisy sy zava-panao nanamarika izany ny fijerena CV tao amin’ny hotely Colbert tamin’ny fotoan’androny. Tsy nahitana vokatra niabo loatra saingy tonga indray isika ankehitriny amin’ny fisavana olona ho amina toerana miisa 1500. Paradisa sosialista no nampanantenaina kinanjo 4mi monina anaty trano sase sy fako misavovona no tena nampalaza ity Gasikara sy nahavitan’ny vahiny sasany hira mihitsy. Firenena nahamenatr’olona satria naman’ireo vitsy an’isa mbola tratry ny valan’aretina Pesta sy Kolera. Tonga ny fitondrana tetezamita tamin’ny 2009. Mbola nisy trangana Pesta heno ihany. Toy izany koa ny taona 2019. Miha potika ny fampianarana sy ny fanabeazana. Mbola tery ny fahalalahana maneho hevitra. Tompony mangataka atiny eo amin’ny taniny ny Malagasy raha tsy hiresaka afa tsy ny raharaha Ambohitrimanjaka sy Nosy Eparsa. Manoloana ny olana dia fandaniana andro amin’ny fanazavana no hitan’ny mpitondra fa tsy mbola vahaolana maharitra foana tao anatin’izay lesona marobe efa hita tamin’ny lasa izay. Ny filoham-pirenena aza moa gaga fa ny lasa foana, hono, no tanisain’ny sasany ka dia tankina ianao ary miteny irery hoe : mba rahoviana ihany aza e…

J. Mirija  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT