Edito

Mba rahoviana ?


  • Zoma 07 Janoary 2011


Mety ho amin’ny fiandohan’ny volana febroary ny hanatanterahana ilay fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta, araka ny loharanom-baovao. Mbola mafotaka mantsy ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa, ka nahemotra mihitsy aloha io fivoriaa io, raha toa ka saika natao tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Mbola hisy indray ohatra ny fihaonan’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina amin’ity herinandro ity, rehefa samy avy nanao tatitra tamin’ny lehibeny ireo delegasionina. Ireto ankolafy roa ireto rahateo, eo imason’ny rehetra na ny eto an-toerana na ny any ivelany no tokony hifanaraka tsara satria izy ireo no nifanolana ka nahatonga ny krizy.

Ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy Albert kosa dia somary nangingiana tato ho ato izay, ary hita ho mbola somary miahotra ny amin’ny hidirany ao anatin’ny rafitra tetezamita. Sady tsy manaiky izy ireo, no tsy mandà. Na izany aza anefa dia efa hita mivezivezy eny amin’ny CST eny Anosikely sy eny amin’ny CT Tsimbazaza ary hita any amin’ireo fihaonana politika efa ho isan’andro ny mpanao politika avy ao amin’ireo ankolafy ireo. Efa nisy ihany koa ny filazana fa tsy misaraka na mipatitaka izany ny Ankolafy Telo fa mbola mijoro tsara, ary tsy miova ny tanjona na dia misy aza ny fandeferana tsy maintsy natao noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny gidragidra eto, raha ny hevitry ny ankamaroan’ireo mpanao politika, ka aleo miresaka tsara amin’izay dia mikaroka ny marimaritra iraisana. Mora tenenina, kanefa sarotra tanterahana io marimaritra iraisana io, efa maro ihany izay fifanarahana teto izay fa tsy mbola tafavoaka ihany i Madagasikara.

Maro anefa no manam-pinoana amin’izao fifanatonana misy etsy sy eroa izao fa tena efa tafiditra ao amin’ilay lalana tokony hizorana isika amin’ny famahana ny krizy ary tsy misy intsony ny fo rano mafana hanimba zavatra. Ny mampametra-panontaniana fotsiny dia ny hoe : inona no mety ho akon’ireny fanonganam-panjakana nitranga teto ireny sy ny fanamafisana izany nataon’ireo manamboninahitra any am-ponja, amin’ny famahana ny krizy ? Hanova zavatra, hanova ny fomba fijery, hanova ny endriky ny tetezamita ve ireny, sa rano latsaka an-damosin-gisa fotsiny ? Inona no mety ho akon’izany amin’ilay resaka famotsoran-keloka, satria tena nisy izany ny fanonganam-panjakana tamin’ny alalan’ny basy noho ny vola be noraisina, ka raha mibebaka tokoa ve ny rehetra nanao izany dia avela tsotra izao ny helony. Mety ho sarotra ihany ny fanapahana ; efa izay daholo ve ny zava-nitranga sa mbola misy tantara miafina any ho any ? Ahoana ihany koa ny momba ireo gadra politika sy ny raharaham-pitsarana maro be mbola ho avy, rahoviana marina no tena hatomboka ny fampihavanam-pirenena amin’ny fo madio tsy mieritreritra valifaty. Mba rahoviana no tena hifanara-tsaina amin’izay ny rehetra ka ho resy lahatra fa fotom-bery ny fifanandrinana sy ny fifandrafiana ary tsy misy tombotsoa azo amin’ny fifaminganana ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT