Mba mitafy henatra ihany ve e!?

Ny fahefana efa azo na tao anatin’ny romoromo sy amboletra aza.


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Ireo rafitra samihafa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana efa ny antoko sy ekipan’ny fitondrana no

mandrafitra azy, ny mpanohitra mbola vao mieritreritra dia mety efa voasakana izay mieritreritra hikitikitika ny fitondrana, ny fisamborana sy ny fonja efa mitanatana vava miandry ny olon’ny fanoherana,… Midika fa tsy misy manelingelina ny heverin’ny mpitondra fa asa fampandrosoana tiany hapetraka, tsy afaka ny andeha hanohintohina izay tian’ny mpitondra atao ny fanoherana. Malalaka sy afaka manao izay danin’ny kibony ny volomboasary hiasa sy hampandroso, ary tsy teny tsy tokony hivoaka akory ny hoe : avelao ny mpitondra hiasa. Io miharihary io anefa fa arakaraka ny fanaovana ampihimamba ny fahefana no vao mainka tsy mampahomby ny fitantanana sy tsy maha marin-toerana ny Firenena : toekarena, fihariana, sosialy, vidim-piainana, angovo sy herinaratra,… Ny omaly tsy miova, ary vao mainka mitombo ny olana sy ny fahantrana. Mbola mitafy henatra ihany ve eo anatrehan’ny fanilihana lava ny tsy fahombiazana amin’ny mpitondra teo aloha ? Lazaina fa nanarina ny tsy fahombiazana hatramin’izay ka izay ve no tena marina kanefa ny kely mba vitan’ny hafa aza no nopotehina. Mandrak’ity ny androany mbola fanamarinan-tena fa tsy mba hahay hanetry tena sy hanaja tena manoloana ny efa tsy fahombiazana. Tratry ny bemanaiky tokoa angamba ny vahoaka Malagasy ka manaiky hisotro ny rano tsy tiana, saingy na ho ela na ho haingana tsy hifoha ny valalabemandry.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT