Edito

Mba mila maka amin’izay e !


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Nifarana tanteraka ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra, saingy ho re hatrany ny akony ato ho ato.

Tsy ny ekipam-pirenena Frantsay ihany no mahazo voninahitra fa ny fireneny manontolo, ary mipetraka ho tantara tsy ho azo kosehina iny fandresena miezinezina iny. Hampiasainy amina lafin-javatra maro ihany koa ary azo antoka fa hitondra akony maro na ara-tsosialy na ara-politika, eny fa na ara-toekarena aza. Raha ny fanadihadiana efa nandeha dia mitondra herijika ho an’ny firenena ny fandresena amina sehatra goavana maneran-tany ohatra ireny. Voninahi-pirenena no narovany, ary adihevitra sy zary lasa fanenjehana ny Frantsay ny hoe manao tohatra fiakarana ny zanataniny, tsy tena Frantsay fa Afrikanina,… Hainy ny mampiasa ireo olona ao aminy ho hery mamokatra, ary tsy adala ireo mpilalao raha misafidy an’i Frantsa satria io firenena io no mahavita azy. Hampiasainy ho an’ny tombontsoan’ny firenena fa ny aty amintsika dia ny vahiny no mampiasa ny Malagasy sy manao tohatra fiakarana. Tsy tena haintsika ny hoe: miara-miasa sy mifamelona satria isika sady manaiky habadoina no matin-kenamaso na diso misolelaka, ka dia ny “oui oui” hatrany na efa ataon’ny olona taingim-bozona aza.  Tsy afaka ny hanilika ny hafa, fa kosa mba mila mahay mametraka sy mifehy ny vahiny ho hery hahafahantsika mampandroso fa tsy hangoron-karena eto mandrakizay e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT