Manga ny lanitra, mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra, miasa ny Fanjakana,…
Ireny no iniana voizina amin’izao fotoana izao. Izay mifanohitra amin’izay na fandisoana sy tsikera, dia ambara fa asa fanakorontanana. Voizina fa misy mitady hanongam-panjakana, resahina ny hoe misy te hisakana ny asa fampandrosoana efa mandeha. Toa fahanan’ireo mpomba sy mpanohana azy sasany lalitra ny Filoham-pirenena ka zary lasa mahatoky tena loatra. Ny ankamaroany toa miezaka maka « 19 », ary masiatsiaka ny fiteny raha milaza hoe diso « misolelaka », ka na zavatra efa hita fa tsy mety aza, dia lazaina fa mety foana. Asa fampandrosoana mipaka aiza sy aiza moa izay no resahin’ireo mpila ranondranony miezaka mipasoka ny efa tokony hahitsy? Raha tsy nisy tokoa moa izany ny fananganana fotodrafitrasa izay isan’ny nokianina tamin’ny Fanjakana tany aloha hoe azo hoanina angaha ireny, dia inona no mba horesahina eto? Na inona na inona holazaina sy horesahana, na inona na inona fialana bala amin’ny resaka fisian’ny valanaretina, dia tamin’ity Fanjakana ity no ratsy indrindra ny naoty ara-toekaren’i Madagasikara tao anatin’ny 60 taona. Tena mahantra sy fadiranovana ny Malagasy, saingy misy ny minia mikipy milaza fa tena efa mandeha ny fampandrosoana, mety io,… Tena izay ve ny zava-misy sy marina ? Tena mijery fitaratra ve ny mpitondra eo anatrehan’ny laharampahamehana kisadasada sy ny mbola fananganam-pahavalo. Ny tena nisongadina sy nihazakazahana dia ny fanenjehana sy fanagadrana. Nanjakan’ny valifaty politika, ary raha nenjehina ho mpanao jadona ny tany aloha mbola henjehina fatratra, dia ity Fanjakana ity no tompondaka, ary efa nilaza an’io ny mpanao politika iray niaraka tao anatin’ny raharaha 2009. Asa hitondra mankaiza ny hetraketraka politika kanefa ny vahaolana ara-tsosialy sy ara-toekarena tsy mandeha amin’ny laoniny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.