Edito

Mba manana hazon-damosina ihany ve?


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Kihon-dàlana vaovao ho an’ny firenena no nolalovantsika tamin’ny fifidianana sy lalovantsika amin’izao efa fisian’ny fanjakana natao izay haha ara-dalàna azy izao.

 

 Kihon-dàlana mitondra antsika amin’ny tsara sy ny soa sa vao mainka hitarika ny firenena any an-davaka? Tsy hisy angamba mpitondra na iray monja aza maniry ratsy ho an’ny tenany sy ny fireneny, ary mba samy mikendry ny tsara avokoa na eo aza ny mety ho hevi-dratsy mety ho teraka. Tato ho ato, dia isan’ny paikady nentina nialana bala ny hoe: ilay filoha anie tsara, fa ilay manodidina azy no ratsy e! Re izany tamin’ny fanjakana teo aloha, ary manomboka voizina io amin’izao fanjakana ankehitriny izao. Ny hoe: “Filohan’ny Repoblika” aloha dia aoka hazava fa izy izany no lohany sy ambony indrindra ary tompon’ny teny farany eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Marina fa mety tsy ho vitany samirery io, saingy tsy afaka hiala bala eo anatrehan’ny mety ho tsy fahombiazana. Mila olona manana hazon-damosina araka izany io, fa tsy olona sanatriavin’ny vava hataon’ny sasany saribakoly eto fotsiny. Mila olona mitazona ny teny nomeny, fa tsy anio mainty ny zavatra ambara, dia rahampitso mivadika ho mena tampoka satria izay no metimety amin’ireo lehiben’ilay filoha, izay nampiasa ny volabeny ohatra tamin’ny fampandaniana azy, ka zary ireny mety ho iaingan’ny baiko rehetra. Ilay filoha kosa mety haingon-dapa no tena ilana azy raha izay no miseho, ka hafa ihany izany filoha tsy voagejan’ny hafa izany e! Malalaka tanteraka amin’ny fanapahan-keviny, ary tsy manaiky atao saribakoly, izay isan’ny namotehana ilay filoha tany aloha. Mampahatsiahy ilay filoha naongana fahizany rahateo ny zava-miseho satria mitombina daholo ny zavatra nolazainy. Ireo nanongana azy sy nanao eson-teny taminy aza ankehitriny, dia maka tahaka sy te hanaraka mafy ny diany. Ny soa tokoa fianatra, saingy miavaka eny foana ny tena tompon-kevitra sy ny mpaka tahaka. Moa va tsy eson-teny no natao fahiny hoe: “ny làlana angaha azo hoanina?”, fa isan’ny natao fitaovana anie izany tamin’ny fampielezan-kevitra, ary nampidirina ao anatin’ny Programa ankampoben’ny fanjakana amin’izao e! Moa tsy vao telo volana monja izay no nilazana fa ny an’ilay filoha teo aloha nifaninana tamin’ny tena ho kandida dia ny hitrosa amin’ny mpamatsy vola ihany, fa isika hampindrana aza? Io anefa fa mipepopepo etsy sy eroa mitady mpanome sy mpampindram-bola fa tsy arakaraka ilay nambara tany amin’ny fampahalalam-baovao vahiny hoe eto am-pelantanantsika ny zava-drehetra hahafahantsika mahomby! Ny vava no tsy atao be, dia ny mamerina azy no sarotra e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT