Miaiky ankehitriny ny fitondrana foibe fa misy ny kere any amin’ny faritra Androy sy Anosy. Ny sampan’asa misahana ny fampandrosoana amerikanina mantsy dia efa nanaraka ny zava-misy tany an-toerana hatramin’ny voalohan’ny volana oktobra teo.
Talohan’izay anefa dia maro ny resaka natao. Nolazaina mihitsy fa namorona sary tsy nisy akory ny mpanao gazety malagasy niezaka nitatitra ny zava-misy any an-toerana. Ny fisolelahana nataon’ireo olom-boafidy sasany avy any an-toerana koa moa etsy an-daniny efa tsy anerany intsony. Fa ny tena mahavariana dia ilay foto-pisainana mora mino raha vahiny no milaza zavatra amin’ny tena fa raha fanambaran’ny mpiray tanindrazana kosa dia tsy inoana ho marina sy tsy omen-danja akory. Tsy afaka am-bavan’ny Malagasy izay mbola manana ny fitiavana ny fireneny intsony ankehitriny ny anarana hoe « iles éparses » isaky ny misaina ny fahoriana sy ny fahantrany ny maro. Nosy nomen’Andriamanitra antsika mantsy ireo nosy ireo ary iza no tsy mahalala fa feno otrikarena ireo nosy ireo ka izany no ifikiran’ny frantsay amin’izy ireo. Manomboka mampiaka-peo ary ankehitriny ny Malagasy ka hihaino indray ve ny mpitondra sa mbola hanao be marenina toy ny fanaony ? Isaky ny misy mantsy ny fotoana tokony hanehoan’ny filoham-pirenena malagasy ny tena hevitry ny Malagasy dia toa ialany ilany hatrany izany. Ilay mbola fiankinan-doha amin’ny vahiny ve no mahatonga izany sa tahotra fotsiny izao ? Inona anefa no tokony hatahorana raha toa ka na ny firenena mikambana aza efa miaiky fa an’i Madagasikara ireo nosy ireo ary mampirisika aza ny firenena mikambana ny hamerenana ireo nosy ireo amin’i Madagasikara. Ny mahavarina dia ny mpitondra antsika indray no tsy taitra. Sa efa nahazo kopaka isasahana any ambadika any sanatria ? Enga anie ka tsy ho marina fa raha sanatria tokoa mantsy ka izay no zava-misy dia fivarotana tanindrazana fotsiny izao izany. Rahoviana vao hijoro amin’ny maha an’ny Malagasy azy i Madagasikara ka hifampihaino sy hifanaja ny samy Malagasy fa tsy hifampitoroka ary tsy ny vahiny intsony no hibaiko sy hanjakazaka eto amintsika ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.