Edito

Mba manan-kambo e !


  • Alatsinainy 11 Janoary 2016

Ho taonan’ny asa indray izany ity 2016 ity, araka ny lahatenin’ny filohan’ny repoblika teny Iavoloha ny zoma teo.


 Goavana tokoa aloha raha ny asa miandry e ! Efa iaraha-mahalala iny fa ny fanontaniana mila valiny mazava dia ny ny hanaovana ilay asa sy ny laharampahamehana ary ny vola. Tsy mety ahazoana valiny mahafa-po ireo satria tsy talentan’izao fitondrana HVM izao mihitsy ny fandaminana asa. Lalana efa fantatra fa handalovan’ny vahiny manan-kaja ny zoma, dia alarobia vao henjehina amboarina. Fahaiza-mitantana ve izany ? Atao matevina any anaty kabary ny hoe fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly sy fanakanana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Misy foana anefa ny boaderozy tafavoaka an’i Madagasikara. Atao ny fanambaram-pananana fa misy foana ny tompon’andraiki-panjakana ambony voatonona ao anaty raharahana kolikoly na fanodinkodinam-bola, mangina tsy misy resaka ny afera avy eo, ny mpanao gazety no lazaina fa manaparitaka vaovao tsy marina. Mampanongo tena ny lahatenin’ny masoivohon’i Maroka teny Iavoloha ny zoma teo. Mpitondra tsy tonga saina amin’ireny efa tena tsy izy intsony mihitsy. Mba manan-kambo e ! Efa ataon’ny olona resaka etsy sy eroa mbola misolelaka sy mila ranondranony ihany. Sa dia efa maty hasina tanteraka ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT