Edito

Mba mailo ihany


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Manova olona marina ve ny fanaovana politika sa ahoana , fa dia misy ireo tena nanakiana mafy ny fakana artista rehefa hanao fihaonana politika sy hamory vahoaka kanefa ankehitriny dia lohalaharana amin’ny fampirevena ny vahoaka amin’ny alalan’ny dihy sy hira io olona io.

 


F’angaha tsy manan-kevitra handresen-dahatra ny mpifidy no voatery hiantso mpanakanto e ?Aiza ho aiza ilay hoe hevitra sy fandaharanasa hampandrosoana ny tanàna, mbola tezaina amin’ny fomba tahaka izany foana ve ny malagasy fa tsy mba ampianarina hijoro amin’ny foto-kevitra mihitsy ? Nahoana no misy kandida tsy maka artista isan’andro kanefa mahatarika olona maro be hatrany, olona hita fa resy lahatra.Tsy efa mazava ve ny resaka amin’izany…Sa mba asiana hira sy dihy kely aloha fa manala azy vita CEPE ? Mila mailo ary mila mitandrina ny olom-pirenena fa maro ireo mpanao politika sy kandida manao mpitari-bato vilam-bava, be resaka fotsiny fa raha asa fampandrosoana dia maivana be. Raha resaka sy kabary no nampandroso dia efa ela no nanankarena ny Malagasy, fa matoa mbola mahantra ny 92% dia misy antony ka aleo mandinika tsara vao mandrotsa-bato fa tsy sodokan’ny tolotolotra kely iray andro no hamotehana ny 4 taona ho avy e!

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT