Henatra sy fahafaham-baraka indray no nozakain’ingahy filoha mihevitra ny mbola haka fom-bahoaka ao anatin’izao fotoana efa mampihombo ny fankahalana azy izao.
Tsy miova ny fomba fiady fa mihevitra ny vahoaka ho mora langolangoina hatrany, ka dia nandeha indray ny fizarazaran-javatra tetsy Mahamasina. Niala tamin’ny fiantsoana ankizikely hilanja sorabaventy misy soratra hoe manohana ny filoha, dia miditra amin’ny fizaran-kanina tsy mahavita taona mba hahavory ny vahoaka hanotrona. Manararao-paty ny fahantran-dRamalagasy, ka mihevitra azy ireo ho voavidin’ny vary roa kapoaka. Na izany na tsy izany, dia voaporofo fa mahantra ny Malagasy, ka raha vao mahita iray lovia dia mifarombaka satria aleo tokoa maty rahampitso, toy izay anio. Tsy hoe mankasitraka ny fandrobana ireo zavatra saika hozaraina hanambazana vahoaka, saingy mampametra-panontaniana ihany hoe: tsy efa fambara ratsy ihany koa ve ireny nataon’ny olona ireny e ? Ny ny an’ny vahoaka ihany mantsy no hanajana azy, ary tsy ampahafirin’ny volam-panjakana zarazaraina hanaovana kolikoly mihitsy ny valeran’ny sakafo ho lasa maloto afaka 3 na 4 andro raha be indrindra. Izany anefa no entina hanentsenana ny saim-bahoaka sy hakana ny fony ary hampirisihina azy, fa mbola mamim-bahoaka ilay filoha sy ny fanjakana efa halany, saingy tsy mahalala tsy tiana sy tsy mahay manaja tena. Hiampy ny hirifiry sy ngidin’ny fahorian’ny fanjakana HVM amin’ity herinandro ity, raha voatazon’ny eny an-kianja ny teniny sy ny veliranony tamin’ny vahoaka amin’ny fitazonana hatrany ilay foto-kevitra hoe : « miala Rajao », « miala ny governemanta », ary tsy hahomby intsony fizarana hanina tsy mahavita taona e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.