Mba jereo ny ataon’ny olona e !

Raha angamba firenena isan’ny nalain’i Madagasikara tahaka na


  • Talata 11 Jona 2024

noteren-ko masaka toy ny voalobo-jaza ho mety amintsika ny rafitra fampiasany, dia i Lafrantsa.

Eo ny fifamatorana ara-tantara, fa eo ihany koa ny politikam-panjanahana tamin’ny endriny vaovao, natao hifikirana sy hifehezana ny rafitra ara-politika, fa indrindra ny toekarena,… Tsy resaka fankahalana na fanasohasoana fa mafy izy matoa nahavita an’izany, ary izy mitsetsitra eto, fa isika tsy mahay mitsetsitra sy maka tahaka ny tsara ataony, fa lany andro manao valala an-karona. Io izao ny tranga any Lafrantsa fa noravan’ny Filohany Emmanuel Macron ny antenimierampirenena satria resin'ny hery ankavanana RN (Rassemblement National) tarihin-dry Marine Le Pen amin’ny isam-bato 31,5% araka ny fironam-bokatra tamin'ny fifidianana Eoropeanina ny antokon’ny filoha ny maro an'isa manohana ny fitondrana (15,2%). Ny 30 jona sy 7 jolay ho avy izao no hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka any Frantsa. Azo adika ho tsy fankasitran'ny Frantsay ny politikam-pitantanan'ny fitondrana Macron izao ary fitodihana amin'ny hery ankavanana izay mametraka ambony kokoa ny tombotsoa ho an'ny Frantsay aloha. Vao ny tapaky ny volana mey teo, ohatra, no nivoaka ny valin’ny fanadihadiana nilaza fa ny 72% amin’ny Farantsay no tsy mahatoky ny politikan’i Emmanuel Macron amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Io ihany koa ny valim-pifidianana ! Demokraty ny olona, ary miaiky fa tsy taratry ny fironan’ny vahoaka Frantsay intsony izany ny antenimierampirenena, ka tsy maintsy miroso ihany koa amin’ny fisokafana na «cohabitation» ho an’ny tombotsoan’ny firenena,… Ary ny eto amintsika mba manao ahoana ? Lalaovina sy vonoina hasina ny sary sy ny anaran’ilay Filoha mba handresena amin’ny fifidianana depiote, terena ho mamim-bahoaka na efa mitsotsorika sy efa aloham-bahoaka raha tarafina amin’ny fifidianana aza ilay Filoha sy ny antokony, efa mandeha ny zarazara koveta sy tsindry samihafa mbola vizana ny kandidam-panjakana maro,… Dia ny CENI sy ny HCC sisa no ianteherana mafy hipasoka daomy hanome vahana ny kandidam-panjakana hanerena ny antenimierampirenena hisy sarintsarina maro an’isa efa tsy taratry ny fironam-bahoaka intsony. Fady izany hanaiky resy sy hahatsapa fa efa aloam-bahoaka izany satria efa zatra bodongerona !? Asa rahoviana vao mba hiova e ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT