Edito

Mba ho valalabe mifoha amin’izay


  • Zoma 28 Septambra 2018

Somary mangingina aloha ireo kandida filoham-pirenena, ka miatoato sy tonitony ny totoafon-tserasera sasany. Maka bahana sa kosa misy antony hafa mihitsy ao? Tao ny malaza fa misy olana sahady ny resaka ara-bola satria niroborobo nialohan’ny fotoana.

 Malaza ho manana afera maloto any ampitan-dranomasina, ka dia sasatry ny mandamina an’izany aloha, fa sao io no ho sakana hamatotra ny tena mba miezaka mafy ny hamafa ilay anaran-doza azo tamin’ny famotehana firenena tany amin’ny 9 taona lasa. Any amin-dRamalagasy ny fahefana na eo aza ny tandindon’ny dian-tanan’ny firenen-dehibe, saingy aleo mba hasiana fanantenana izy ity hoe: izay be tokoa no basy e! Ny fanontaniana anefa dia ny hoe: sao lahy isika mihitsy no handraraka ilo mby an-doha tahaka ny zavatra sasantsany natao teto, ka ny firenena no hidi-kizo. Hifidy sy handatsa-bato mantsy isika atsy ho atsy, saingy olana amin’ny mpifidy matetika dia izy tsy tena mahara-baovao tsara, fa dia mijerijery fotsiny hoe : iza no kandida mba metimety, na hoe itsy sy iry tsy tiako dia aleo hafa no ho fidiako. Raharaham-pirenena anefa tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra matotra miainga amin’ny fisainana sy fandalinana, fa tsy baikoan’ny fo sy ny kitaitaitra fotsiny. Mila todihana ny lasa, dinihina ny tantara,… fa tsy ho sodokan’ny endrika ivelany sy ny balarora satria isan’ny efa namotika ity firenena ity izany. Olona hitondra mandritra ny 5 taona rahateo io olona io, ary hanapa-kevitra momba ny fiainan’ny tsirairay, izay mety tsy ho hita eo noho eo ny vokany. Ekena dia ekena tokoa fa tsy hanatitra vary iray kapoaka any ambilanin’ny isan-tokantrano ny mpitondra, fa aty amin’ny propagandy ihany no hisian’ireny fizaran-javatra tsy mahavita taona ireny hakana ny fony. Aleo mba tsy ho ny valalabemandry ampatorian’ny mpanao politika intsony, fa ho valalabe mifoha amin’izay e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT