Edito

Mba henoy ny hafa e


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Resaka 3,7 tapitrisa dolara avy amin’ny rafitra misahana ny fahasalamana eo anivon’ny firenena mikambana ve sanatrian’izany no nanakana tsy hanidiana ny sisin-tany ara-potoana ka nanjary nahatonga ny ain’ny malagasy ho tandindomin-doza toy izao?

 

 

 Lasa fanontaniana mipetraka ao an-dohan’ny mpanara-baovao izany ankehitriny raha niverina nihaino ny fanambarana rehetra nataon’ireo tompon'andraikitra eto amin’ny firenena nialohan’ny faha 13 martsa sy ny taloha kelin’ny 23 martsa. Eny fa na ny kabarin’ny tompon'andraikitra sasany eo anivon’ilay rafitra iraisampirenena voalaza teo ihany koa. Efa maro ihany izay toro-hevitra avy amina ankolafy samihafa izay ho fanampiana ny fitondram-panjakana mba tsy hiady irery ao anatin’izao zava-misy izao. Na avy amin’ny mpanohana ny fitondrana, na ny mpanohitra. Fikambanana maro samihafa. Iza moa no tsy efa niteny ara-potoana hoe akatony dieny izao ny seranana na koa ny sisin-tany? Iza no tsy niteny hoe risika be ny fampilaharana eny amin’ny tsena mora na koa eny amin’ireo toeram-piandrasana fiara fitateram-bahoaka? Dia tsy manana tekinisianina afaka mandinika ny toetran’ny malagasy mihitsy ve ao an-dapa ao mba hiteny ny filoha fa sarotra fehezina izy ireo? Io moa izao mitohy ny fizarana fanampiana samihafa ary dia mbola mitohy ihany izay fivorivoriana etsy sy eroa . Ekena fa napetraka ny fepetra ny amin’ny tokony hisian’ny elanelana 1 metatra sy ny fanaovana arovava fa ampy hahasehaka ny fampanarahana izay fepetra izay ireo tompon'andraikitra napetraka isam-pokontany. Raha ny zava-misy hatreto angamba aloha dia sarotra ny hiteny hoe eny. Isaorana ny Nahary fa nahavita nampiseho ny fahaizany aloha ny mpitsabo malagasy hatreto. Isaorana koa ireo tompon'andraikitra hafa manao izay vitany saingy inoana fa raha mitaha amin’ireo firenen-kafa dia mbola voasokajy ho nahazo fitahiana manokana ity firenena ity, raha ny hita hatreto aloha. Tsy mbola tara angamba raha izao no manova paikady sy manatsara ny efa noraisina ary mihaino sy mamakafaka ny hevitra misy rehetra mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra hafa indray.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT