Edito

Mba henoy! Nomen’Andriamanitra maso miisa 2, sofina 2, lavan-korona 2 saingy vava


  • Alarobia 19 Febroary 2025

tokana sy lela tokana kosa isika, hoy ny mpahaiolona, Pr Louis Paul Randriamarolaza, izay

ka ny dikan’izany dia tokony ho avo roa heny amin’ny fitenenana sy fanandramana izany ny fijerena sy fihainoana ary ny fanimboloana na ny fiofonana. Aza manadino anay ianareo izay any ambony any koa, hoy ry Dama sy ry Bekoto ao amin’ny tarika Mahaleo tamin’izany fotoana izany, fa mba henoy ny vavakay! Ny any ambony, hoy ry zalahy efa mety, ny ety ambany mba handrotsay! 65 taona nanomezan’ny frantsay fahaleovantena an’ity firenena ity ary 67 taona nidirana tamin’ny antsoina hoe repoblika isika izao. Mbola maro ny malagasy mikiakiaka hoe mba henoy izahay! Mba manana ny hetahetanay ihany izahay ety ifotony ety fa dia aza bahananareo eny ambony efa mety eny foana io mpiotifeo na «micro» io! Lany andro amin’ny kabary be sy ny kivorivory amin’ny atrikasa sy ity karazana fiofanana tsy hita hoe nitondra inona ho an’ilay firenena ity foana hatreto. Raha ny fivoriana sy atrikasa na fiofanana no nampandroso firenena dia inoana marimarina angamba fa tokony ho efa firenena sangany eto ambonin’ny tany ity Madagasikara ity. Toy izany koa ny kabary fanasoasoana fitondràna sy fisolelahana mpitondra. Fiainam-pirenena efa tsy vitan’ny hoe hiaraha-mahita fotsiny fa iaraha-miaina mihitsy ny fitotongany na eo amin’ny lafiny ara-toekarena io na sosialy na diplaomasia na fandriampahalemana na inona na inona dia mbola lazain’ireo mpidongy avara-patana ho mizotra mankany amin’ny tokony ho izy sy mahasoa ilay vahoaka efa mitrongy vao homana ihany. Izay rehetra tadiavin’izy ireo manokana foana no lazainy fa tadiavin’ny vahoaka. Aiza moa eto no hisy fampandrosoana andeha amin’izay laoniny?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT