Edito

Mba hazavao tsara kosa e !


  • Alakamisy 09 Jona 2016

Resaka tsy mety vita ny fitantanana ny fiantsonan’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra.

Mitombo isa isan’andro ny fimenomenon’ny olona momba ilay orinasa Easy Park mitantana ireo parking. Tsy ny fanatsarana sy ny fandaminana ny olana fa ilay fomba fiasa, hoy ireo nohadihadiana. Mahatsapa ireo mpampiasa fiara fa misy endrika fanararaotana ny fanaovana ilay « contravention ». Ny fanentanana sy fampahafantarana rahateo moa maivana be mba tsy lazana hoe tsy misy.                                                                                                                                      Nanao fitokonana fanairana ihany koa omaly ireo andiany 4 avy ao amin’ny polisy monisipaly noho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny nametrahan’ny Easy park ao amin’ny taratasy fanaovany « contravention » ny sary famantarana ny polisy monisipalin’Antananarivo Renivohitra, tsy ara-dalàna izany, hoy izy ireo satria tena sehatra ivelan’ny kaominina mihitsy ity orinasa misahana ny « Parking » ity. Manaitra ny tompon’andraikitry ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ihany koa izy ireo mba handinika tsara ny zava-misy fa tsy sanatria handrahona indray ny polisy monisipaly. Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy ny Malagasy. Efa mba fotoana kosa angamba izao hitondran’ny kaominina sy ny Easy park fanazavana matotra kokoa fa tsy sanatria hanao be marenina mandavan-taona manoloana ny fahasorenan’ny olona satria ny erikerika anie ka mahatondra-drano e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT