Edito

Mba efa naka lesona ve ?


  • Talata 26 Janoary 2021

Ny fotoana mandalo, fa ny tantara sy ny fahatsiarovana mitoetra eny foana. Izay

 

 

no mila hahaizana miaina sy mamindra, mba hifampizarana ny soa sy ny tsara, ka ireny no tokony hahatsiarovan’ny olona antsika amin’ity fiainana mandalo ity. Ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao loza miantona, hoy rahateo ny fomba fitenintsika Malagasy. Tena marina sy mitoetra io amin’ny lafiny rehetra, fa ny resaka politika no handeha hanompanana azy eto. Tsy finiavana ny hamoha fota-mandry, na hipasoka ny efa malama, fa 12 taona katroka tahaka izao no nisian’ilay alatsinainy mainty teo amin’ny tantaram-pirenena. Nanao fanjakam-boalavo ny Malagasy sasany, rehefa novolena tao anatiny ny toe-tsain’ny ory hava-manana sy ny fankahalana diso tafahoatra. Namporisihina hankahala sy hamotika ny Malagasy toa azy noho ny hevitra tsy mitovy, ka iny indreny nisoko mangina sy niorim-paka ry mpanani-bohitra maoderina. Marina fa efa rano raraka ireny, saingy ahafahan’ny rehetra maka lesona sy mitsakotsako hoe: nitondra antsika nankaiza izany ankehitriny? Moa miadam-pinaritra tokoa ny firenena sa nihemotra am-polo taonany ? Inona tamin’ireo zavatra nodradradradraina ho fahadisoan’ny tamin’izany no tsy miseho sy tsy mipoitra ankehitriny? Tsy natao hanenjehana na hankahalana olona iray na Fanjakana iray, fa ny zava-misy sy miseho no mitsara. Hatreto, nivarina anaty kizo tanteraka ny firenena , ary ilay revolisionina nidradradradrana famirapiratana, dia mbola ny balaroran’ny fampanantenana araka ny hiran’ilay mpanakanto tsy nipoitra intsony no mitosaka. Asa raha mba efa naka lesona tamin’ny tantara sy ny zava-misy ankehitriny ny olom-pirenena na mbola manantena fahagagana sy resy lahatra amin’ny hahaterahan’Ambatobevohoka? Ny lasa efa lasa fa raha tsy mahay maka lesona isika, dia tsy misy mahasamiha amin-dRamalagasy amin’ny vato tsy mihetsika sy tsy miteny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT