Edito

Mba diniho tsara ihany e !


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Mbola tsikaritra hatramin’izao ny tsy fahamatorana ara-pitantanana misy eto Madagasikara. Ny tena loza dia ny manampahefana ambony mihitsy no maneho ohatra ratsy.

 Hatrany am-boalohany dia efa niteny ny mpandraharaha fa tsy mety ilay hetra alaina amin’ny entana hafarana sy aondrana any ivelany nantsoina hoe Advanced Cargo Declaration io. Efa betsaka ny hetra aloan’ny orinasa mbola vesarana hetra hafa ambara fa ho fiarovana ny sisintany indray, hono. Nihenjana ny fanjakana nilaza fa efa io aloha ny fanapahan-kevitra ka dia izay no izy. Nogiazana avy hatrany ny entan’ny orinasa tsy nandoa io hetra io. Nimenomenona ny rehetra fa nanao be marenina teny ny fanjakana. Izao anefa nilefitra ihany. Fa nahoana raha mba efa nodinihana sy nosaintsainina tsara aloha vao nampiharina e ? Fa dia tena  entina amin’ny andrana sy ny mokon-doha fotsiny ve izany ilay firenena ? Afaka miresaka ihany ka nahoana no tsy efa natao tany am-boalohany ? Mialoha izao dia efa nisy ny fampanantenana fa hofoanana ny delestazy, tsy hisy intsony boaderozy hiondrana an-tsokosoko, hofehezina ny asan-dahalo ... kanefa iaraha-mahita tsara fa tena mifanohitra amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Tsy milamina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT