Edito

Mba diniho tsara ihany e !


  • Zoma 05 Febroary 2016

Aorian’ny 25 febroary izao indray vao hiverina ny fifampiresahana an-databatra boribory any Genève ho fandaminana ny ady an-trano any Syria. Manjavozavo ny fanazavana ofisialy ny amin’ny anton’io fampihemorana io


<w. Ny fantatra kosa anefa dia miha resy tosika ny mpanohitra ary miha mahazo vahana indray ny tafi-panjakana amin’ny ady any Syria. Niantso ny Rosianina mba hampiato ny daroka baomba ny sekreteram-panjakana Amerikanina John Kerry. Mihevitra mantsy ry zareo tandrefana fa manampy ny tafiky ny filoha Bachar el Assad mba handresy ny mpioko sy ny mpanohitra ny Rosianina. Ka rehefa resy tosika ireo mpanohitra ireo any anaty ady dia tsy afaka ny hiteny firy na hangataka zavatra betsaka rehefa miresaka eo ambony latabatra. Fomba fiady efa nitranga tany Okraina izany, ary efa fanao aty Afrika ihany koa. Raha tsorina, rehefa misy ny ady dia izay matanjaka no manana tombony kokoa rehefa mandeha ny fifampiraharahana. Zavatra tokony hampieritreritra lalina ireo firenena miroso ao anaty korontana noho ny disadisa politika izany, satria fetsy ny vazaha ary hainy ny milalao io resaka diplaomasia sy dinika ambony latabatra io. Any Libia fotsiny, ohatra, 4 taona izay no nandrodanana sy namonoana ny kolonely Kadhafi, fa savorovoro hatramin’izao, miha mahantra ny Libianina. Ny Amerikanina sy ny Eoropeanina na mandalo krizy politika sy ekonomika aza dia tsy mba mifamono sy mifanongana izany. Misy lesona mba tokony hotsoahana ihany fa tsy mora entim-po fotsiny e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT