Heverina fa mbola hafana indray ny tontolo politika sy ara-tsosialy amin’ity herinandro ity. Fihetsiketsehana sendikaly goavana 3 no mety mbola hitohy ary hihamafy indray.
Eo aloha ny an’ny mpampianatra FRAM, izay manao resaky ny moana sy marenina amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny an’ny Jirama, miandry izay tena hevitry ny fitondram-panjakana momba ny fitoriana ireo mpiasa ao aminy, ary ny an’ny Air Madagascar, izay azo sokajiana hoe tena tolona amin’ny fanjanahana maoderina mihitsy. Ny hevitra moa tera-bary, samy manana ny fomba fijeriny ny zava-mitranga ny tsirairay avy, mety tsy mitovy ihany koa ny vaovao eo am-pelatanana ka mahatonga ny fomba fandinika ho samy hafa na mifanipaka mihitsy aza. Izany no tena maha saro-pady ny fitaovana fampitam-baovao tahaka ny gazety an-tsoratra sy ny haino aman-jery, satria avy amin’ny alalan’izy ireo no miainga ny adihevitra etsy sy eroa. Tsikaritra tato anatin’ny herinandro izao fa misy ny serasera alefa tsimoramora mba hiarovana ny mpitondra amin’ny alalan’ny fanamaivanana ireo hetsika fitakiana, indrindra fa ny an’ny Air Madagascar. Tsy misy moa ny afaka milaza fa tompon’ny fahamarinana 100%, saingy raha mandinika amin’ny saina tsy miangatra kosa, ny zavatra nitranga tao amin’ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Malagasy ity, nanomboka tamin’ny 2010 no ho mankaty dia tsy ho sarotra mihitsy ny hahatsapa fa misy zavatra tsy milamina ao. Fa iza moa no nampirisika ny mpitondra tetezamita sy ny mpitantana ny Air Madagascar hiala amin’ny Boeing ka hiditra amin’ny Airbus ? Efa samy mahalala ny valin’izay ny rehetra, ary mora koa ny manakatra fa tsy ara-barotra fotsiny no anton’io fa tena hafa mihitsy. Aoka tsy hohadinoina fa ny fifehezana ny resaka angovo (fitrandrahana sy fizarana ny jiro sy ny rano), fandraharahana ara-bola (banky), ny fitaterana, ny serasera sy fifandraisan-davitra (nisy ny fotoana efa saika natao teto ilay passerelle unique ifehezana ny resaka internet), dia fomba hahafahana manjanaka avy ao anatiny ny firenena iray. Tsy mila mampiasa tafika na daroka baomba izany. Izay sahy maneho hevitra mamaky bantsilana an’ireo dia samborina sy gadraina avy hatrany tahaka ny fanao fahiny tany amin’ny firenena kaominista. Zava-misy izany ka ambara mba hampisaintsaina ny tsirairay fa tsy hihinana am-bolony fotsiny ny fanasana atidoha sy fampandriana adrisa ezahan’ny sasany atao eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.