Edito

Mba diniho kely !


  • Talata 17 Aprily 2012

Mbola tena henjana ny Malagasy raha tsipy kanetibe no resahana. Io angamba no taranja ara-panatanjahantena iray, tena mampamiratra antsika ary mampalaza ny Malagasy maneran-tany mihitsy.

 Tsy resy mihitsy nandritra ny lalao fito natrehana teny Mahamasina ny ekipam-pirenena Malagasy. In-droa resiny ny Frantsay, ary raha ny fahitana azy dia mbola ho sarotsarotra ihany izany hoe handresy ny Malagasy izany satria efa tena avo lenta ny teknika sy ny traikefa ananantsika amin’ity tsipy kanetibe ity. Tsara homarihana moa fa tsy mbola anisan’ireo taranja tafiditra amin’ny lalao olimpika ny tsipy kanetibe. Ny be vazivazy moa dia mieritreritra fa rehefa tena resin’ny vazaha tsara isika, na ireo firenena madinika hafa, izay vao mety hampidirin’izy ireo ao anatin’ny fifaninanana olimpika ny tsipy kanetibe. Ny tiana hahatongavana amin’izany rehetra izany dia ny hoe : mahavita azy ary tena mahavita zavatra tsara ny Malagasy, ary afaka mifampitana tsara amin’ireo firenena lehibe sy manankarena.

Ny mampalahelo anefa dia vitsy dia vitsy ny sehatra ahavitantsika izany, fa amin’ny ankapoaeny dia voafetsin’ny vahiny foana isika. Firifiry ny firenena nitovy taminstika, 50 taona lasa izay, saingy ankehitriny efa tena matanjaka sy misongadina, tafiditra ao anatin’izany ireo firenena any Azia Atsimo Atsinanana, ny nosy Maorisy etsy akaiky kely etsy. Tsy azo afantoka fotsiny any amin’ny hoe vintana na famaizana avy amin’Andriamanitra ny fahantrana mitombo isan-taona eto amin’ity firenena ity, fa ny tsirairay avy no tokony ho tonga saina, na mpitondra fanjakana io, na mpitondra fivavahana, na mpanao politika, na mpandraharaha, na mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, na olon-tsotra miaina an-drenivohitra sy any ambanivohitra, fa tena misy zavatra tsy mety eto. Iaraha-manaiky fa manan-tsaina ny Malagasy, ary manankarena i Madagasikara, kanefa dia krizy no malaza eto.

Ny vahiny tsy maintsy mitady ny hevitra hahazoany tombontsoa eto, saingy manana tombony lavitra be mihoatra amin’izy ireo ny Malagasy, noho ny maha tompon’ny tany azy. Efa mba maro karazana ihany izay fandaharan’asan’ny mpitondra nampihariny teto izay, telonjato mahery ny antoko politika eto, efa ho isaky ny elakela-trano ny sekoly, amin’ireo tanàn-dehibe, fa tsy mbola tafavoaka ihany isika ary tena mihemotra fa tsy mandroso. Tsy hisy zava-banona eto raha mbola mandany andro amin’ny fifanenjehana ny Malagasy, ary mila mandini-tena tsara ihany koa ireo Malagasy mpamadika ny tanindrazana, sy ireo tia tena. Ny tody anie tsy misy fa ny atao no miverina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT