Edito

Mba aza lotoina ny Barea e !


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Vita iny ny lalao lehiben’ny Barea, izay nandrasan’ny Malagasy tsivakivolo.

 

Tsy nampitsanga-menatra ny vokatra na mety tsy dia nahafa-po ihany koa aza, kanefa isaorana ny ezaka sy ny herim-po lehibe nasehon’ny mpilalao, izay niaro hatramin’ny farany ny voninahim-pirenena. Mitoetra hatrany, fa ny Barean’i Madagasikara no hany tokana afaka mampiray sy mampitovy ny fijerin’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo. Io no hany afaka nitondra fientanam-po iraisana, fa tsy fizarazarana toy ny hita amin’ny politika. Any no tiana hisarihana ny saina hoe: tsy tokony hampidirana na ezahina hitadiavana tombotsoa politika ny ekipam-pirenena, tsy tokony hataona olon-tokana na olona vitsivitsy fitaovana hoenti-mampalaza tena sy hoenti-manatratra tanjona politika iray. Mahavory sy mahangona vahoaka rahateo ny Barea, tsy mila hizarana vola na vatsy tsinjo na vary na t-shirt toy ny amin’ny propagandy ny olona dia tonga, fa izy indray aza no miala vola am-paosy, manao izay farahery amin’ny fanohanana satria tena tiany amin’ny fony, tena ankafiziny ka tsy ilany tambiny afatsy ny faniriana sy firariana fandresena ny fanohanana ataony. Maro ny lesona azo tsoahiny tamin’ny lalao sy ny zavatra nentiny tamin’ny fiainam-pirenena, fa anjaran’ny tsirairay no misintona izay azo raisina. Ny akony mbola hitoetra, fa tsy maintsy hiverina amin’ny fiainana andavanandro isika. Mafampana ny toe-draharaha politika izay toa mampikoly ny Fanjakana ka tsy maintsy handraisana fepetra hentitra hono. Masiatsiaka ny fanambaran’ny manam-basy manome lesona ny mpanao lalàna. Ny olana ara-tsosialy miha mitobaka, ny totorebika nalefa ihany, ny fitangoronana politika no tsy azo atao fa ny fifampitakosenana sy fandihizana “lôndôlôsy” izay efa hifanilihana ny fomba nidirany teto tsy olana. Irariana mba tsy ho nampiparitaka ny valanaretina ireny, fa dia ento indray isika no horaisina raha sanatria izay no miseho. Ho sanatria anie izany !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT