Edito

Mba ataovy avo lenta ny fisaina e!


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Efa mamofompofona propagandy ny tanàna satria efa misy ireo manao fampielezan-kevitra amin’ny endriny samihafa.

 Mbola tsy hay anefa hatreto izay toe-javatra hiseho tsy hampoizina amin’ity resa-pifidianana ity satria politika io, ary tena avo lenta tokoa. Mila avo lenta ihany koa noho izany ny fomba fijery sy fisaina, indrindra ho an’ny olom-pirenena, fa tsy sodokan’ny ronono an-tavy , ka ho voafitaka sy voambaka amin’ny vola kely 5000Ar na 10 000Ar miampy T-shirt hatrany ohatra. Maro ihany koa ny zavatra mety tsy ho ampoizina ao anatin’io, fa mila sokafana ny masom-panahy ary mila toniana ny fo ho an’ny olom-pirenena satria politika no lalaovina.  Tsy tokony hatao mahagaga na handiso fanantenana ohatra raha ny kandida andrianin’ny fon’ny tena mety hiray feo sy hiray latabatra amin’ilay nohenjehina satria izay mety hahafa-mandavo ny mpifanandrina. Mila mahay mamakafaka haingana izay fihetsiny sy ny zavatra ambarany, fa tsy sodokan’ny endrika ivelany. Fa ny tena goavana, dia mila mahay mijery ny tantara sy mamatantra hoe iza ity olona ity, fa tsy jamban’ny endrika ivelany sy ronono an-tavy hafafiny. Ny mpandoro sy mpandrodana, mpandrava sy mpamotika ve izao, ohatra, dia azo hantenaina fa hahavita hanagana kanefa hitanao izao hoe 5 taona teo nandroba harem-pirenena no natao ? 4 taona tsy nahalala akory antsika Malagasy kely mitrongy vao homana fa niliba tany an-dafin’ny riaka, saingy izao dia lasa Mesia tampoka hanavotra firenena hono ! Any amin’ny isam-batan’olona no lakile, ka asa lahy na mba hiova amin’izay Ramalagasy na mbola ho tratran’ny sasany amin’ny domina tapany handoa erany amin’ny kivolavola kely sy zavatra tsy mahavita taona e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT